Andininy
Protestanta Malagasy
23
Ary ny zanany dia nohamaroinao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra, sady nentinao ho amin'ny tany izay nolazainao tamin'ny razany fa hidirany holovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15138386-A997-4EE2-AD8F-36BEB3457D6C
24
Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin'ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B6F0410-6C35-4B0A-A024-90CF00366AC9
25
Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin'ny fahatsaranao lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D448A34A-8F55-4F5A-8BEA-B2D104D262EA
26
Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|651F753E-F9C0-4188-A926-1C3B25F857EC
27
Koa dia natolotrao ho eo an-tànan'ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin'ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben'ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C14F974-402F-4501-A104-D0BF416D1D45
28
Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan'ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben'ny fiantranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77395A6E-8E32-401A-A5C2-B408CFF03F5F
29
Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin'ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatô azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DEB61F1-405F-4033-8825-86D2F9DC437D
30
Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin'ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan'ny firenena amin'ny tany hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3453669-CAA1-4CD3-A955-145BC6F879CC
31
Nefa noho ny haben'ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16F9ABE5-4FAF-49DA-8B73-A0BF1C17D225
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany