Andininy
Protestanta Malagasy
32
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asyria ka mandraka androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8398A583-C62B-447D-B1B0-DE0406A371B8
33
Hianao no marina tamin'izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D2C26C4-452E-4999-AAED-66D9BC743C9E
34
ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66C3F41D-999E-4722-AE74-895DEE98BD63
35
Fa tsy nanompo Anao teo amin'ny fanjakany izy sy teo amin'ny haben'ny zava-tsoa nomenao azy ary teo amin'ny tany malalaka sy lonaka izay nomenao ho eo anoloany, sady tsy niala tamin'ny ratsy fanaony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4C73E64-97AD-468B-A206-5AFD7D68F79C
36
Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin'ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F312712A-B63F-48EC-B24D-17EEC838C262
37
ary mahavokatra be izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA45C4CF-9896-43E4-8581-D7EF9985C666
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany