Estera 1: 1-22

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro nanjakan'i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43CAF59D-3BD1-4504-932F-9AD87DAE20E3
2
dia tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianian'ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA547723-C7A8-4813-9124-4D9CEFAD3900
3
tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; Ary teo anatrehany koa ny lehiben'ny miaramilan'i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin'ireo komandin'ny isan-tokony amin'ny fanjakany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D5B2980-76F2-4B4B-9F49-3594061F2294
4
Ary nasehony andro maro, dia ny valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany Ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahelehibiazany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22BF08FB-ABB1-4570-9C85-965FDF02C0AF
5
Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan'ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin'ny kianjan'ny tanimbolin'ny tranon'ny mpanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A8CC5AA-063C-4CD5-B53F-0A8BFF5BBF6A
6
Ary nisy lamba fotsy misoratsoratra sy manga nifehy tamin'ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin'ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; Ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny lampivato alabastara sy marmora tsy sy hara Ary marmora mainty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76D15275-8DEE-4EF4-8E23-A5C2084CE006
7
Ary ny olona dia nampisotroina tamin'ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka), Ary betsaka ny divain'ny andriana araka ny fanomen'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14266C37-7144-4FE8-9865-059B09E68A82
8
Ary ny nisotroan'ny olona dia araka ny tenin'ny andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian'ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan'ny olona araka izay sitrapony avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|015564F2-3CF7-40A3-9FFA-63369A23C2CB
9
Ary Vasty, vadin'ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny tranom-panjakana, izay an'i Ahasoerosy mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|560435B1-A2BE-438A-B88C-4057D3553CFC
10
Ary tamin'ny andro fahafito, nony faly ny fon'ny mpanjaka azon'ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara Ary Karakasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F8C47BA-EF9C-4632-B370-CDD863B0DD53
11
Mba hitondra an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, ho eo anatrehan'ny mpanjaka, misatroka ny satroboninahitry ny fanjakana, mba haseho amin'ny olona sy ny mpanapaka ny hatsara-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A1CFA9D-1B98-402B-9A32-01735291F92B
12
Fa Vasty vadin'ny mpanjaka nandà ny tenin'ny mpanjaka nentin'ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7019EAD1-4C15-4375-97B0-730289D93808
13
Dia hoy ny mpanjaka tamin'ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan'ny mpanjaka teo anatrehan'izay rehatra nahalala lalàna sy fitsarana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58AA3A20-6607-4C9E-B4EC-1214783A8B5F
14
Ary teo akaikiny dia Karsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin'i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin'ny mpanjaka ka nipetraka tamin'ny fitoerana aloha teo amin'ny fanjakana):
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D1DE565-1E79-4944-87B4-BDCB91EE068B
15
Ahoana no hanaovana an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin'ny tsindranolahay izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AC2BD1C-3BA1-47C3-A05C-D1CE46D919AD
16
Dia namaly Memokana teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin'ny mpanjaka ihany no nanaovan'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin'ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC502334-70C2-4AE4-AD86-8F847FEEBBC1
17
fa hiely any amin'ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon'ny vadin'ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an'i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC7CE2D1-C1DE-447C-9DEE-4F72FE0AE606
18
Ary na dia amin'izao andro izao aza ny andriambavin'i Persia sy Media, izay mandre ny nataon'ny vadin'ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin'ny mpanapaka rehetra voatendrin'ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05F8A385-0290-4F89-B278-9F12E072BB7D
19
Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjaka hivoaka avy eto amin'ny mpanjaka ka hosoratana ao amin'ny lalàn'i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; Ary ny voninahitr'i Vasty dia aoka homen'ny mpanjaka ho an'izay vehivavy hafa tsara noho izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E308E50-E01B-4F7A-8513-0D1703282829
20
Ary raha torina eran'ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn'ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy, na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECE50090-0B03-443A-80A8-09391CA3009A
21
Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin'i Memokana ny mpanjaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5B410BB-9181-4DCD-B690-BD8E2C946592
22
ka nampitondra taratasy izy ho any amin'ny isan-tokony araka ny sorany avy, Ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, Ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|250028ED-9219-4728-B28E-42360A991BD7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany