Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, Ary ny sezany nataony teo alohan'ny an'ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02991D1C-D751-4FD1-883F-6C2B3F3501EA
2
Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2711D1ED-10BF-4881-9A8A-F46BBBDC27F3
3
Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay: Nahoana hianao no mandika ny didin'ny mpanjaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21BC8656-4005-4ED6-99A0-049053141B74
4
Nefa na dia niteny taminy isan-andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain'ireo tamin'i Hamana, mba hizahana na haharitra amin'ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin'ireo izy fa Jiosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D985D90-6A50-4F85-B142-5242070E735A
5
Ary rehefa hitan'i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4924DC46-0E6F-467C-B473-C84A19887A10
6
Ary nataon'i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tànana hamely an'i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen'i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen'i Mordekay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F212A95-5E11-4F35-94F9-0CF170D52F4B
7
Tamin'ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, dia nisy nanao pora (filokana izany ) teo anatrehan'i Hamana ny amin'ny isan-andro isan-andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5690550-205A-4EF7-9144-ABF78E5CECC2
8
Ary hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy mpanjaka: Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; Ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankato ny lalàn'ny mpanjaka, Ary tsy mendrika amin'ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EF62F2A-AD15-4304-941B-C3916CB90573
9
koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha aho ho entina ao ao an-trano firaketan'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E12665F2-D8A8-4208-902E-2884EF4DF03C
10
Dia nesorin'ny mpanjaka tamin'ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an'i Hamana, zanak'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E9531AA-25D7-44F7-AD29-FD6F225E14E6
11
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BA3D539-F145-498D-BFA4-32A41C77D4C5
12
Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian'i Hamana ho an'ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin'ny isan-tokony araka ny sorany avy, Ary ho amin'ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D23F91C-12B3-41A5-B748-B44E55E31290
13
Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono Ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin'ny zaza amim-behivavy aza, amin'ny indray andro monja, dia tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), Ary handroba ny fananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3307E9D-7EF7-4DA0-A236-108CC228A1DA
14
Ny kopen'ny teny izay natao didy ho amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan'ny olona rehetra hampiomana azy ho amin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B78FD28F-3F64-44C8-915A-E834BC12E762
15
Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan'ny tenin'ny mpanjaka; Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro, fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CE63D15-94B2-4A36-B00D-B7C1EBC7B4FA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany