Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony tamin'ny andro fahatelo, dia niankanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'ny mpanjaka, dia teo anoloan'ny tranon'ny mpanjaka, Ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin'ny vavahadin'ny trano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAEBF133-F1E1-46F5-A663-C50D7EF74864
2
Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro Estera, vadin'ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; Ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tanany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA3D5E93-0A16-48AF-93D0-6753DF74FBF0
3
Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka, Ary inona no tadiavinao ? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DC9C648-7160-4012-A43A-C648CA251274
4
Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin'ny fanasana izay efa namboariko ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C4470D2-AB53-4776-BCB7-8581EC2205D3
5
Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin'i Estera.Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC7CC78D-A66F-4770-97A4-D19700C5C8EE
6
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao ? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao ? Fa na dia hatramin'ny atsasaky ny fanjakana aza, dia homena izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC9E93DD-1D35-4EED-9DDB-7D95E5B0727D
7
Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9420394E-A6FC-4B9E-BF83-212D2E18FF6E
8
Raha mahita fitia eo imason'ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin'ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; Ary rahampitso dia hanao araka ny tenin'ny mpanjaka ihany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBEDAD3B-05BF-477F-AF25-DE1359D256D3
9
Dia nivoaka tamin'izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an'i Mordekay teo am-bavahadin'ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory, dia feno fahatezerana taminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF8B9CB9-73DD-4A8C-997C-BD38089D1B81
10
Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D3F532F-FBCA-4BC2-9A84-A9D037A5E104
11
Ary nambaran'i Hamana tamin'ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan'ny zanany mbamin'izay voninahitra rehetra nomen'ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F47EE80-A34E-4600-A275-8F17B1A32590
12
Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin'ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin'ny mpanjaka ho amin'nny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin'ny mpanjaka aho koa rahampitso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|442CD0E8-5B50-450A-A44B-23435CA55B78
13
Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an'i Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A73CE613-1902-40A1-9324-DA9D3F1E98E0
14
dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, Ary raha maraina dia lazao amin'ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin'ny mpanjaka amain'ny hafaliana ho any amin'ny fanasana hianao. Ary sitrak'i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DD8FD57-BC62-4C63-93EC-A091506F59FC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany