Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; Ary novakina teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A411155-5DAB-4620-9C62-8DA840DD71A5
2
Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an'i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39BA5219-0B09-47A5-9CEC-E1754C41953C
3
Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordekay noho izany ? fa hoy ny zatovon'ny mpanjaka izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41106656-0BD2-49D2-B993-C86338ABE72B
4
Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao ? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka tamin'izay hiteny amin'ny mpanjaka ny amin'ny hanantonana an'i Mordekay amin'ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4E42CAD-880D-47FD-91C8-D2C93FF89D72
5
Ka hoy ny zatovon'ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|046A7CC3-787E-4F80-A4CC-52C69FA366BD
6
Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra ? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian'ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3720867-CFA1-40A2-9A67-FB6C71FD800B
7
Ka dia hoy Hamana tamin'ny mpanjaka: Ny amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|572CB326-2513-4789-9C56-2C7D6848B5AC
8
aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan'ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan'ny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|579C8911-49E0-4823-95E3-8D6EC1737F3F
9
dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan'ny anankiray izay malaza indrindra amin'ny mpanapaka voatendrin'ny mpanjaka, Ary aoka izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin'ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, Ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|547DA9F0-7A24-4B93-AF7F-9F44CA014D35
10
Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Faingàna Ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin'i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|960C731F-F2A0-475E-9501-1D27AFE85E02
11
Dia nalain'i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an'i Mordekay izy Ary nampitaingina azy tamin'ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE4055BB-56EC-4A34-9D48-142A17DA7FA4
12
Ary Mordekay niverina nankeo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9A923BC-3900-4F9C-AA70-14238C017180
13
Dia nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, iza efa niatomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy hianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1670EC9-5304-4C80-9752-DC0F9B133DE3
14
Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo dia tonga ny tsindranolahin'ny mpanjaka ka naka faingana an'i Hamana ho any amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B6B86B2-7B9F-4373-8FD5-7677C0855237
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany