Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ho ao amin'ny fanasana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C21B464-4CDB-4AA5-8138-FB96123ACEA1 2 Ary hoy indray ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay tamin'ny andro faharoa: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka ? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao ? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34F97A60-C7D0-45F9-B40C-00596ACA6D97 3 Dia namaly Estera, vadin'ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao Ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako Ary ny fireneko araka ny fangatahako; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7810D8F7-A4F9-43D5-BD0E-4D2DF2C5B637 4 fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina Ary haripaka; fa raha tàhiny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90DA3C4C-0D4F-403E-802F-7D39F3B00729 5 Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, Ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory ? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFD1AD67-5051-494D-BD70-835DFC6E46AC 6 Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka Hamana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F584DB4D-09A8-43A8-A631-BFBF15DA0416 7 Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin'ny trano; Ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin'ny mpanjaka azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0191DC8D-D446-478B-B35B-5F33C8C7D06B 8 Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin'ny trano ho ao amin'ilay efa nisotroany divay teo, Ary Hamana sendra niapoka tamin'ny farafara nandriandrian'i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin'ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io ? Raha vantany vao naloaky ny vavan'ny mpanjaka izany teny izany, dia nsy nanarona ny tavan'i Hamana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51453205-2F6C-4568-BC91-1E9F28BACC1C 9 Ary Harbona, tsindranolahy anankiray izay teo anatrehan'ny mpanjaka, dia nilaza hoe: Indro miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon' i Hamana hanantonany an'i Mordekay, ilay niteny soa ho an'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Ahantony amin'io izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F2C7584-96FE-4C12-969B-59AD3F331700 10 Ary Hamana dia nahantony tamin'ilay hazo efa natsangany hanantonana an'i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran'ny mpanjaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6DB9245-61C1-4934-97C7-75041C943710
|