Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy mpanjaka ho an'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ny tranon'i Hamana, fahavalon'ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan'ny mpanjaka, fa efa voalazan'i Estera fa rainy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40367BAF-DDDB-4E98-B860-846E8F26A6CE
2
Ary nesorin'ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren'i Estera hanapaka ny tranon'i Hamana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D173615-F960-4615-BE83-419417176CF4
3
Dia niteny teo anatrehan'ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin'ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon'i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22EACD91-2047-43E9-83C3-75A6D9C7CA9D
4
Ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan'ny mpanjaka
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA21F126-DA70-40D1-8560-A80434C91235
5
Ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, Ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon'ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ireny, izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B401510A-8034-43AC-AB64-AFA0C64C5A95
6
fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ? Ary ataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|203AA080-8047-4780-A4F3-E0F6C991E3DD
7
Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, sy tamin'i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon'i Hamana efa nomeko an'i Estera, Ary izy dia efa nahantona tamin'ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E881950-DF2A-4B4F-8C46-07B8F803728F
8
Ary hianareo kosa dia manorata amin'ny anaran'ny mpanjaka araka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C50F8128-9BD4-4944-BD4D-F7246DB25141
9
Dia nantsoina tamin'izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahatelo (volana Sivana izany); Ary nosoratana araka izay rehetra nandidian'i Mordekay izany ho any amin'ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy governora Ary ny mpanapaka amin'ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, Ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, Ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C83EACA-5018-466D-93A5-2479CB4DEAAB
10
Ary nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahasoerosy manjaka izy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka, Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-toavaly sy soavaly haingam-pandeha Ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDC089BD-1B1B-4AEC-844D-ADA59E814B62
11
ka ny Jiosy izay teny amin'ny isan-tanàna dia navelan'ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy Ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin'ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin'ny vady aman-janak'ireny Ary handroba ny fananany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC0F313B-7961-4C9E-8630-64A464851E70
12
amin'ny andro iray ihany any amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A20B649C-33AE-4A34-9AD9-D40E166689E2
13
Ny kopen'ny teny natao didy ho amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana dia nantsoina tamin'ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin'izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C48651F1-7AE8-44E3-AF10-C8BC9E13F297
14
Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka hohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EEE6DC9-C973-4A1A-A735-0BBD95859422
15
Ary tamin'ny nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satroboninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; Ary faly sy ravo ny tanàna Sosana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2455930-EDC4-4725-8DBA-967904FD2235
16
Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana Ary voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F552A78-4AB7-4697-A171-40895F5AF678
17
Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|862AD913-594B-46A5-9EC5-7D3ED790D4FC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany