Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo(volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0417471C-0607-4FDE-B2B6-F41B2BC4A6A2
2
dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nitady hanisy ratsy azy; Ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BDD333F-73E1-453E-8C74-82C971B93420
3
Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin'ny fanjakana sy ny solo-mpanjakana sy ny governora mbamin'ny mapanao raharahan'ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon'ny fahatahorana an'i Mordekay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2038FEBF-38AB-48B0-8B25-189194D6F8AE
4
Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, Ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2D9E793-E963-4B1B-B70A-0B8019B99DA2
5
Ary nasian'ny Jiosy ny fahavalon'ny rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny Ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin'izay nankahala azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7E8CA49-9B44-4690-8CE6-E141E00300C5
6
Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB01F673-A667-4033-8E92-EEB3E33DCA98
7
Ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8B73EE8-5393-4730-9999-C07A39B2AD19
8
sy Porata sy Adalia sy Aridata
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAF31F8C-2FE0-466E-A81C-9EE4D72F4ECB
9
sy Parmasta sy Ariasay sy Ariday Ary Vaizata,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|889E2EE5-D257-44D3-AAF1-466A5A17BFD7
10
izy folo lahy, zanak'i Hamana, zanak'i Hamedota, fahavalon'ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D615773-5C18-4725-82A3-0A23C9F91C3D
11
Androtrizay ihany dia nambara tamin'ny mpanjaka ny isan'ny voavono tany Sosana renivohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E291AB4A-CF26-40EC-9119-18109980084F
12
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin'izy folo lahy, zanak'i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao ? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao ? fa homena izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B3BDC37-72FD-4322-8CC6-4D3D08070777
13
Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sosana havela hanao toy ny natao andro-any ihany koa rahampitso, Ary koa hahantona amin'ny hazo koa izy folo lahy, zanak'i Hamana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A23AF8DF-50BC-4BE4-BB83-A61EADA47496
14
Dia nasain'ny mpanjaka natao izany; Ary natsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak'i Hamana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F759BFC-0FFD-4EAF-A79D-D898C7442581
15
Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C627D9DD-B352-41FF-9B8E-52D77C785E99
16
Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy, Ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37163925-9B8F-43C0-9BCE-488FBDAA59DF
17
tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana Adara; Ary nitsahatra izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48B7EF24-F22C-4690-9F41-C3BF12875D7A
18
Fa ny Jiosy izay tany Sosana kos nivory tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'io ihany sy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo koa; Ary nitsahatra tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2E18245-00CC-4A95-AFA6-63FDA251D412
19
Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin'ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly Ary fifanateran-javatra. Ny nanendrena ny andro firavoravoana Porima, sy fahalehibiazan'i Mordekay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC15D9E5-DB6E-44A9-94D9-E991EC66B8BF
20
Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|556A4B8D-1146-4705-8062-E26E294D73EB
21
mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin'ny folo sy ny fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana Adara isan-taona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F5AE581-753B-479C-9A4D-B7AC3881B1EE
22
dia araka ny andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana Ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra Ary fanomezan-javatra ho an'ny mahantra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|300C09BA-A1C7-4F3C-9709-5102CAB6875A
23
Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratan'i Mordekay taminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CE3AEFA-CB50-4433-9C8D-B9A15D19D61D
24
satria Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8805C43-A085-45CC-9A9B-98D8BFF187EF
25
fa raha nankeo anatrehan'ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin'ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain'i Hamana hatao amin'ny Jiosy, Ary mba hahantona amin'ny hazo izy sy ny zananilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54A0EC96-0FBD-4552-B224-5C00258861E4
26
Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora. Ary araka ny teny rehetra tamin'izany taratasy izany sy izay hitany ny amin'izany zavatra efa nanjo azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9216D860-C053-4D8D-8538-18884021C005
27
dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky izy sy ny taranany Ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|600373BB-1E94-4171-BB46-147CB20B929F
28
Ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin'ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran'ny fanjakana rehetra sy amin'ny isan-tanàna; Ary mba tsy ho tapaka amin'ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin'ny taranany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD04A2A3-7120-40E3-B172-E604951E009D
29
Ary Estera, vadin'ny mpanjaka, sady zanakavavin'i Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra tamin'ny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB848ECE-2A47-44C5-A611-7ED8E947DF1F
30
Ary nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izy, dia ho any amin'ny toko fito amby roa-polo amby zato amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFDE92DD-4E1E-4BF8-9C12-9C6E1458E787
31
mba hampitandrina azy ireo andro Porima ireo amin'ny fotoany, araka izay nandidian'i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin'ny mpanjaka, azy sy araka izay efa nekeny ho an'ny tenany sy ny taranany koa ny amin'ny fifadian-kanina sy ny fitarainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|462A13B2-552A-4933-BF68-405C623838D4
32
Ary ny tenin'i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; Ary voasoratra tao amin'ny boky izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62C39ED5-A6F6-45D9-A698-975D7D1EF1E3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany