Joba 1: 13-19

Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB952BA1-6322-4AD5-9FEF-6C7D837B25BA
14
ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5FB5054-DB10-4704-8DA8-96039DB6B655
15
dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A69A33E6-CBD5-47DA-972F-CEED20BC60C1
16
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman-osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3897461-E341-4B9C-B44E-7E4F07BEA88B
17
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92196853-A0BB-4D21-B8D2-CF74CFA35C6B
18
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92C736BA-C3FA-4BBA-A51B-D9656869EA2A
19
ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany anefitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96146980-C240-4B78-BD81-9C3821A32252
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany