Joba 1: 6-22

Andininy
Protestanta Malagasy
6
Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|036310F4-CF88-4128-84D9-53D53226FC15
7
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza hianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35943F1E-9D15-4890-9489-CF66EF967492
8
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E76EB60-FCE6-4137-AF20-69D9D44F601D
9
Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Joba an'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FE7F001-7176-4DA3-A174-ABEAD60DAA6D
10
Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany, ka manenika ny tany ny omby amanondriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81B9A57B-BA22-469B-B069-627B7D4EE002
11
Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra - raha tsy handa Anao eo imasonao aza [Na: hahafoy Anao mihitsy.] izy e!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B6BA85E-5748-481D-8B87-3DD607B833F9
12
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tànanao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tànanao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C60C1D44-DBB5-4C64-94F5-F40519FF81A2
13
Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB952BA1-6322-4AD5-9FEF-6C7D837B25BA
14
ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5FB5054-DB10-4704-8DA8-96039DB6B655
15
dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A69A33E6-CBD5-47DA-972F-CEED20BC60C1
16
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman-osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3897461-E341-4B9C-B44E-7E4F07BEA88B
17
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92196853-A0BB-4D21-B8D2-CF74CFA35C6B
18
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92C736BA-C3FA-4BBA-A51B-D9656869EA2A
19
ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany anefitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96146980-C240-4B78-BD81-9C3821A32252
20
Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C7D3017-33FA-459E-BD55-C7BCCC1B9B35
21
sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF46BC71-2FF3-4051-A8AC-5129AF68D9C6
22
Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FF1087B-BBA0-4501-AC84-674CF155CFAA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany