Andininy
Protestanta Malagasy
1
Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho Sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFC820A1-0783-455D-BB12-2F42D98A2D8F
2
Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|678BCC80-4216-42F6-81B4-54435659A29E
3
Mahafaly Anao va ny hampahory Sy hanary ny efa nisasaranao Ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30E46BBE-C7B4-43ED-8931-09F790A79CE5
4
Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|673790F5-39F0-4B97-9AEF-D3A72370669B
5
Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|752D1CCD-C537-4803-B1FA-753A6C8EA4B0
6
No dia mikaroka izay heloko Hianao Sy mikatsaka izay fahotako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|417E2843-53B8-4421-802D-8011A29A6B36
7
Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, Ary tsy misy mahavonjy amin'ny tànanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2228C3B7-A2A9-4929-89A1-57D6B01883D4
8
Ny tànanao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, Kanjo levoninao indray aho izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79D34A19-7406-4DE5-8B5A-16ADAEA7A9ED
9
Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, Ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B5BE5B0-18D4-415D-9D48-FF83080E91D9
10
Tsy naidinao toy ny ronono va aho Ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED10AF3C-783B-41BF-9F0F-F038FB878292
11
Eny, notafianao hoditra sy nofo aho Ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37F23CD4-1F3F-4BFB-AFB9-5E01599ACCF5
12
Aina sy famindrampo no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BF6DCB2-5BDE-43DC-8FF3-D161199C3C18
13
Saingy izao no nafeninao tao am-ponao,Eny, fantatro fa tao aminao izao:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D6983EA-A7F3-4597-AF0B-7865E3705C59
14
Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao Ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23E5DC21-10EC-4AFC-A5C3-4C2BF69E97E1
15
Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, Satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8918316-5C66-4AC7-A4CB-ECFC366210E1
16
Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B19929E6-4854-43E6-B6B5-EDFCC302668F
17
Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao Sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90EF7CDC-454B-4408-8781-4C49526B596C
18
Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9959B76C-DD8E-41A5-AFB3-BF584432F8F1
19
Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FF8433F-BEBB-4124-BF10-07105774A8E3
20
Tsy vitsy va ny androko? koa mitsahara Hianao, Mihataha mba hakako aina kely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB2E3AFB-2F32-4EA7-8F4C-44A2F59C1827
21
Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, Dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C419D318-5448-4296-AA50-DEFE6E08A8F1
22
Ho any amin'ny tany maizim-pito, Dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, Sady maizim-pito ny famirapiratana any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82C40587-0F2C-4B23-8AF1-A18D906E3C7F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany