Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, Ary efa ren'ny sofiko ka fantany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32407F1B-3F2C-4ECF-BEB0-2396D40F5028
2
Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho hianareo aho tsy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B488E15-0443-4923-B365-1711CAB3058A
3
Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, Ary Andriamanitra no iriko handanaran-teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|728FAE68-26B5-4C37-A035-BCA990FA6A70
4
Fa hianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby hianareo rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CEE6E6C-844C-490E-A5C3-D5E9995709F8
5
Enga anie ka hangina mihitsy hianareo, Dia ho fahendrenareo izany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D18C19B3-0B61-4382-922D-428B4F814ECE
6
Masìna hianareo, henoy ny anatro, Ary tandremo izay alahatry ny molotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FFF48A5-18FE-4CE7-B5D9-78899B158019
7
Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va hianareo? Hiteny fitaka ho Azy va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|107D84B0-CB42-46D5-ADCE-30DE4A3DDA34
8
Hiangatra ho Azy va hianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va hianareo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|623AD604-8BE9-4851-BC59-4D46226725B1
9
Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A77DF509-8C64-4761-AD65-BFA5567424C3
10
Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|053D3E2B-D7A8-466E-832E-7F431DD90626
11
Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9A71420-FAB4-4B54-B3CA-086CCB069EBB
12
Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, Ary mànda fotaka ihany ny màndanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E52FB39-618C-47DC-8756-E217DAA57029
13
Mangìna, ka mialà amiko hianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EF3BC7C-C82D-43FD-9A39-380E8C68CA5B
14
Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho. [Na: Ka manao ny aiko eo an-tànako.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2A27D89-647F-41B4-898A-D91CB46F9319
15
Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho [Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho.] Kanefa hanamarina ny làlako eo anatrehany aho. [Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0BD0513-65EE-442C-9362-AF417F93BD7B
16
Ary izao no ho famonjena ahy: Ny [Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny.] mpihatsaravelatsihy [Na: ratsy fanahy.] tsy sahy mankeo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51EAED1E-6680-4B82-B450-739430B657ED
17
Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B4E9F58-064E-442A-B9C3-EF5A0752CD81
18
Indro, fa efa voatoriko [Na: voalamiko] ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43FD01D2-6736-4071-877C-2AD0D6F6DCB6
19
Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C7B4332-7139-4EB9-8704-9A52F269CCA2
20
Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, Dia tsy hiery Anao aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B8201CD-AD1D-4AFE-8ED0-C63002C178DB
21
Esory hanalavitra ahy ny tànanao, Ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahoranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81D65653-E1A8-4662-BCD0-4F4D0229DFE2
22
Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55C6EB37-BEB3-4BF2-90AB-8DB9847AF1CC
23
Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2395F8A5-F2E9-4424-962E-322E0D7F08A6
24
Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, Ka manao ahy ho fahavalonao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8A4B1C7-2B9B-4BEE-ABD7-053792841A23
25
Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary Izay vodivary maina avy va no enjehinao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DC13056-11A3-45EE-9FA3-141EC0032450
26
Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, Ka ampanodiavinao ahy. ny heloky ny fahatanorako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|011662B9-BF7A-4EE3-80D3-1A5721F4A385
27
Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao Ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|390A447A-20A5-44D4-B90E-8A21E28E959D
28
Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, Eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|038AD8C3-C93D-4F77-8494-767A506A97F5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany