Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny olona tera-behivavy Dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E6D8004-B253-4057-A824-1B5D3030BA71
2
Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, [Na: malazo.] Ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A141C5D8-9D27-41BD-9020-91E938244A07
3
Kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? Ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana! [Na: fitsaranao.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A290482D-C1C5-46C3-A2A0-38B62854D68F
4
Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60267ED6-8C75-45DD-9A3E-C6D3D60877AA
5
Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, Ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C3D6751-E5D0-4815-A388-570B9A4A1D26
6
Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, Ka hifaliany amin'[Na: hotaperany.] ny androny toy ny mpikarama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9FA8E6C-9A4F-4E37-886C-DB1337DADA9B
7
Fa azo antenaina ny hazo, Satria, na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, Ka tsy maintsy hisy ny solofony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18A47234-8F34-412A-A851-710BD29B08AE
8
Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fàkany, Ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB550AA1-034F-4263-BFFF-4C6F1C32DB07
9
Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray, Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D205D9D3-680A-4CF8-8609-47EDA0A06E4F
10
Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1DE2370-0C21-4B29-AB25-B36A88BA704F
11
Ny rano miala eo amin'ny kamory, Ary ny ony mihena ka ritra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|794F591E-4750-4C51-BACE-C9792958B05C
12
Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy Na hofohazina amin'ny torimasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E66E90CE-DE19-4C4A-BD4A-46C3F66EA330
13
Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9AAC55B-A56C-479A-807B-7516C671BDFE
14
Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, Mandra-pahatongan'ny fahafahako. [Na: fiovako.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68020D4E-0D98-40C6-B349-C3CE8FCD0EB8
15
Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; Ary mba halahelo ny asan'ny tànanao Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AE1F0CC-6D8C-455E-A7C1-76AC4C0E8FE1
16
Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AEABA58-4BC8-485B-BD0D-3C3EEAFB9B04
17
Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B2A23B3-D436-42F9-8462-4369D3D86B2A
18
Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8FADDE4-2DC4-4708-8D13-B652F75AED9B
19
Lanin'ny rano ny vato; Ary indaosin'ny riaka ny vovotany Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EC79877-58AC-4397-ADCA-6B8A70428BF0
20
Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9650E804-1CA9-4904-948D-E17FE927B3A1
21
Omem-boninahitra ny zanany, nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1199F0EE-26DF-43C6-B51F-061FFB6FB88E
22
Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, Ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E77AA473-9502-463B-A16F-AA448903CC76
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany