Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FED9CE80-8004-49E3-9C4D-1797C1BE4478
2
Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, Ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EDD4E3F-6E66-46D1-925E-D65E6CEA6E63
3
Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa Sy ny teny tsy mahatsara?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04C8EBEA-A9A4-4DCE-A103-B719DCC94BF7
4
Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, Ary tampenanao [Na: hamavoinao.] ny fivavahana eo anatrehany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21360A7C-54BC-4BFA-A9C8-B0C90E6140A6
5
Fa ny helokao no manesika ny vavanao, Ary mianatra ny lelan'ny fetsy hianao. [Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza hianao?]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4F8ED5B-4ACD-49B8-BC94-3CBB11AED5ED
6
Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC37E650-FE50-4733-91FE-C68368610809
7
Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3843DB2F-A07F-4D56-BFD1-559652A0187C
8
Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va hianao, Ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|134E8513-F7F0-4B3C-B346-BCB11E55F2CA
9
Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, Na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A7ABB9C-F482-4BA8-BDF2-A0E9BD00814B
10
Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, Eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC839098-7569-4216-9061-0049443F3C64
11
Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra Sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3D9AF6B-422D-4610-8767-EB6D4A53DDDF
12
Nahoana no dia entin'ny fonao hianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32830598-374D-4C9E-BBFB-2EDE751F1A7D
13
Ka miefonefona amin'Andriamanitra hianao, Sady miteniteny foana ny vavanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB8DDD5E-16B3-474B-975F-439363BEBA40
14
Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08CEC60D-6AF0-4196-8DC7-4AA0F8F2D308
15
Indro, ireo anjeliny [Heb. masina.] aza tsy mahatoky Azy, Ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6525FDCF-90DC-4915-B650-A5424223459A
16
Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, Dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|955ADB8C-B332-4C37-A2CF-348BAB8CD5E4
17
Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy Fa izay efa hitako no holazaiko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B087EF57-B51B-4650-A8E8-53DC9FE9CC86
18
Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, Fa tsy nafeniny,- dia izay azony avy tamin'ny razany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F50AF811-D4B0-48F7-8AC5-E3689D027E71
19
Ireny ihany no nomena ny tany, Ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA9BA34B-F79B-49F6-B605-851C64447B69
20
Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, Dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B08C928-1EFC-4F8C-81BA-A9C695D11C37
21
Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27C34876-C293-4B4B-B684-D5E2B97CBE45
22
Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2F1C20B-0988-4CE1-A000-62D61D5312A0
23
Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22DE2BD4-823E-4678-9482-F5863DBF35E5
24
Fahoriana sy fahaporitana [Na: Alahelo sy ahiahy.] no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1608FECB-1D3E-4F62-BF76-3F12EEE55ACD
25
Satria naninjitra ny tànany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1230BC1D-7A57-411D-81BA-173BC43A92C7
26
Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, Dia amin'ny foitran'ampingany matevina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5F74FB1-0A99-45A1-96A5-E63F3A005CBE
27
Satria efa matavitavy tarehy izy, Ary mivalon-kotraka ny valahany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F347353-4AD0-4C25-92A9-BFB5F56099FE
28
Ary monina ao an-tanàna rava izy, Dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, Izay efa voatendry ho korontam-bato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5501E83-B219-4CA4-927A-7A606AF6525C
29
Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, Ka tsy ho vokatra [Heb.hilonjehitra amin'ny tany toy ny vary efa vokatra.] ambonin'ny tany ny fananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BED78955-A273-4271-A887-6C247D8276DB
30
Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; Ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; Ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEA5AB51-F4F0-4DB4-A832-6DFB84FF9BC8
31
Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; Fa zava-poana no ho valiny homena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39EEF0A2-0209-48B4-B63D-6615B26F1E9A
32
Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, Ary tsy ho maitso ny sampany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5A8D98C-8624-4652-B912-64ECA152A533
33
Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy Ary ho tahaka ny hazo oliva mampirara ka ny voniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6E8F244-F833-402B-B9D2-76ED600BDBF0
34
Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy, [Na: ratsy fanahy.] Ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7485D126-035F-4D86-A002-B5865772B845
35
Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, Ary ny kibony mamorom-pitaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2550504-491E-4CD4-8676-9D29E509E899
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany