Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Joba ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AB9FE55-A1A1-4E15-8162-6AB181B453F1
2
Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana hianareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|383F620C-334D-4380-926F-F11AE9D03AE9
3
Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03C9AF88-694C-4B6A-B3E3-E83E729D7177
4
Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, Raha mba tonga tahaka ahy hianareo; Eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho Ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23BBA20E-A91F-46AF-83F1-2F7436425C8D
5
Mahazo mampahery anareo amin'ny vavako aho, Ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny famplononana ataon'ny molotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A384454-23C7-4D44-80F8-33C7F66E08E0
6
Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45D1470B-D1CC-4931-AFC6-772CADE260E6
7
Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79E7B6C6-191D-48B7-B504-A06FD67B36EE
8
Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, [Na: nosamborinao aho.] ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96BD9E05-22B7-49C6-913C-DAD02FABF634
9
Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, Mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC13FA20-B64F-49A6-B676-ECD35DF13383
10
Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|835BFFF4-DDB1-49F3-8707-FF0D90CF4F7B
11
Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, Ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92F3CBE9-DF67-4303-967D-BE5CF576DD6E
12
Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, Sady natsangany ho marika hokendreny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BC76102-0669-4D5D-9333-4E0772FC6434
13
Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra Ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA2522DC-ADD0-4EBF-A021-7081C3CE3B20
14
Bangabangainy lalandava aho, Ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E68F3D76-5844-4B4B-BA9E-4C58595BBE71
15
Lamba fisaonana [Heb. lamba malailay.] no voazaitrako hanarona ny hoditro, Ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D637556D-8D04-47D4-A1EE-0F2DE5D536BF
16
Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, Ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24C70315-6205-4CE0-99B8-78A2632A8765
17
Kanefa tsy misy eto an-tànako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFC73511-364B-4D07-965A-3E37DE2C725F
18
Ry tany ô, aza manarona ny rako, Ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30609A74-67B7-4B60-A3F1-1AB5FA65252F
19
Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, Eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|228C9930-AD61-4647-8B1F-C4F2AC413DF7
20
Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, Dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0927E98-CF62-4AA7-AEB6-79C4682ABC7D
21
Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy Sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako. [Heb. sakaizany.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23043FBC-35FD-4588-AA05-769F04F5EA18
22
Fa rehefa lasa ny taona vitsy, Dia handeha any amin'ny làlana izay tsy hiverenako intsony aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A47FE6E4-1E27-4F45-BEE3-7AD84D9D9369
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany