Andininy
Protestanta Malagasy
1
Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|370D1314-A949-4E0E-82F3-41CDB8CB9346
2
Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, Ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|841ABA9C-9F58-4453-B989-F8DBACD33DC3
3
Masìna Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFACF148-CF8B-459F-9EFB-3FCFE5528ADB
4
Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; Koa izany no tsy hanandratanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB579D9E-3513-4321-A593-BB25E22DCFB7
5
Izay manolotra ny sakaizany ho babo, Dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22A22B55-7FE3-4B6C-BEC9-E225326B1888
6
Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, Ka rorany mandrakariva ny tavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A9860FE-2A05-4EC3-B8C7-9DFAF2DBB970
7
Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FFB9593-2775-4794-B512-CB0FFDD8248E
8
Ankona noho izany ny olona mahitsy, Ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy. [Na: ratsy fanahy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B661243D-D301-4ECA-A81C-C6D868CABE18
9
Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, Ary izay madlo tànana no hitombo hery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDDDE670-C9E0-40D5-8346-26AE84E97AA1
10
Avia avokoa indray ary hianareo rehetra Tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F93540C-22E5-422E-8032-70F1A8C7F3A2
11
Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2008E4B3-19A2-4FCA-A69F-DE01002714C4
12
Ny alina ataon'ireny ho antoandro, Ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE49EA56-7AD2-4438-8395-0CF6BEB12CCF
13
Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|071D541F-99A2-4D92-8101-DC2B7099334C
14
Ny fasana [Na: Ny fahalovana.] no nantsoiko hoe: Raiko hianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB6F5A35-472B-4AE4-9296-63EBCE66FFF7
15
Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7405F8B9-00C7-4012-BD5C-5F56539D676D
16
Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] izany, Raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|919F9C7C-1590-44A0-A06F-9BFB550D5775
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany