Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8AF227B-CBD5-455A-B72F-D24AA22A53AC
2
Mandra-pahoviana no hamandrika teny hianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0988F8D-FDFA-4606-A06D-C97E49C7D691
3
Sao ataonareo ho biby anie izahay Ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E800AB3-F8C4-4D3E-BF39-27E93F8F23EF
4
Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, Noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, Ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4C9F698-1E43-41FC-98D8-EB0909F95368
5
Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, Ary hilopilopy ny lelafony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8FD5304-19EA-4A01-9053-FBA0222D23D2
6
Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, Ary ny jirony eo amboniny dia maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9711AF0-53F3-40B7-9AE6-FBFE10F2D8CA
7
Etena ny herin'ny diany, Ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAE60C90-3F3A-4E32-853E-48891585A3F6
8
Fa ny tongony ihany ny mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, Ka manitsaka eo amin'ny harato izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4E7DE47-8432-4CD3-9B86-6CA7BD6512B8
9
Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony Ary voahazon'ny tadivavarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C4A0E7B-F27B-4C92-9783-90BE1A022454
10
Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy Sy ny tonta eny an-dàlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBBF4649-9EE1-449B-A3AF-0A1E7284245C
11
Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina Ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55ED380E-7A0D-4288-B894-B63229E94E83
12
Liana azy ny loza, [Na: Lanin'ny mosary izy.] Ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F792C7E-0271-4EC4-8CE9-E0D554F50384
13
Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; Ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08CEDBE1-2BB3-4471-875F-FFDC4FE5C12A
14
Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, Ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB3D1E0E-9EDF-4978-B3D1-41970E34D3E9
15
Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hahafy amin'ny fonenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E67D4DBC-5334-472D-A424-EC572FA4ADAC
16
Maina ny fàkany ao ambany, Ary tapaka [Na: malazo.] ny rantsany eo ambony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6CE7345-429F-4FBB-A5FE-924870B507AA
17
Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany, Ary tsy malaza eny ivelany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DFFF6E4-15D0-4E77-871D-8222546B4D6F
18
Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy Ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF473309-D6A9-4D8F-B8A2-296EA216B9D8
19
Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, Ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01D0A230-AC7B-4E92-A9F4-4146BE5FC588
20
Ny manjo azy dia italanjonan'ny any andrefana, Ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05D39BF1-B4D9-4C6B-BA7B-FF5CC7C23B01
21
Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, Ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7322403D-86CB-428D-AE39-D2E0BA3E4A64
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany