Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Joba ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E149C57F-C285-41A6-8313-2E8E371AEA23
2
Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko Sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C106CD7D-B887-4A4E-9F91-36105C7DC419
3
Efa impolo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FA8C964-05C2-45FF-A9C0-2A5B49DF7AAF
4
Ary raha diso tokoa aho, Dia izaho ihany no andrian'ny fahadisoako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88040A25-6148-4CED-B4CE-C71CF45ECD5E
5
Raha mirehareha amiko kosa hianareo Ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E50E6B6E-31AC-49D3-95C5-E59FCA60E42E
6
Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy Ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC85199E-EC7F-48CB-B55B-6D6423F461FF
7
Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45EC4298-C548-4D45-A27E-B46B76F368F1
8
Ny làlako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; Ary nasiany maizina teo amin'ny làlana alehako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54D74337-60A0-4063-BDAA-610C69CABCAF
9
Ny voninahitro nalany tamiko, Ary nesoriny ny satroboninahitra teo an-dohako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F8BF68E-9598-452C-BEB4-85FB823CE159
10
Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|104465C5-AEDA-4A6B-B15A-9A9FE62EC7FC
11
Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, Ka nataony ho fahavalony aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DE5857A-456D-44FA-9580-6E8969D93CB3
12
Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany Ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy Ka mitoby manodidina ny laiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24B388FC-A4AF-4E99-B7FC-D9BDF42C434C
13
Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E11407A9-D6F6-4CFE-8DC8-40661AF3F579
14
Efa tsy misy eto intsony ny havako, Ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|968D5DF2-901F-48DA-89A1-89AFB073A82B
15
Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko Sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B98F4209-D8A2-4B06-9CED-A7CFBC621D4E
16
Antsoiko ny mpanompoko, Nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C67402A-AF7C-4140-AE17-8996CC2B80F4
17
Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, Ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66FE0215-907F-43EB-AAF0-561CCEE2EC8C
18
Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamaly ahy ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A8D319E-9FDC-488A-B151-64A9B72831FF
19
Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, Ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65961834-6E20-4DA9-8470-086E323B4D25
20
Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, Ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A947EF6-5CEE-4F82-9BFC-FDA7364942EF
21
Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko hianareo,ry sakaizako ô; Fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97904B6C-F357-4469-910A-21D5868CB33C
22
Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa hianareo Ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76405F29-EB4C-4274-9FCE-7AAA479E80E4
23
Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47CFE51F-CCD9-4A68-8B29-2713E1AD9F26
24
Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka Eo amin'ny vatalampy ho mandrakizay izy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|810203EF-F9F2-434E-9318-19F13E918263
25
Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra [Heb. Goela.] ahy, Ka hitsangana any am-parany [Na: ho farany.] eo ambonin'ny vovoka Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A74D79C-C411-4E6B-8C6D-AE93DDC1025F
26
Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, Sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra; [Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F99A7EF-8E47-490B-BA88-F8074A7FE003
27
Eny, izaho no hahita Azy, Ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko [Heb. voako.] ato anatiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34A73B68-9314-4DAC-9365-2AAA112CA114
28
Raha hoy hianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny [Heb. anatiko.] ny fototry ny mahameloka azy, [Heb. ahy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43FC5DC1-16E2-45D7-99DE-B734FD005358
29
Dia matahora ny sabatra hianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, Mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15BBB36D-3585-40D7-86D8-AD0D5D48F857
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany