Joba 2: 1-10

Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4352BC2B-5E20-4156-BDD6-496E1CE7A988
2
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza hianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|711B87FD-A833-4E12-BD5A-8AB4EAC9B6B6
3
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC58EBF4-1F28-4DDB-BA07-D85A43F2560D
4
Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho fefin'ny ainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A3ADA1E-4035-446B-A2E7-6F119722E1FF
5
Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony - raha tsy handa Anao eo imasonao aza [Na: hahafoy Anao mihitsy.] izy e!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8126767F-2558-4217-B576-34376D30834E
6
Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tànanao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6C1BBCF-D063-4465-8C7A-34E5831FD936
7
Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampondohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76C6CF3A-861C-4442-ACC8-E3E73B17CF99
8
Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7C7FCFC-1DCA-43FB-82D4-19B21C8A5485
9
Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an'Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|914A1952-26A1-4A56-8A2F-3BA0CEC91B1D
10
Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B44D77DD-2238-4E47-AFFD-F3B29C462084
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany