Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F218253C-FEC1-4EC2-9D08-C72BA1D30D53
2
Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, Eny, noho [Na: Ary izany no mahatonga.] ny fihetsiketsiky ny saiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|881F51E2-8A49-41E7-AF91-2EFC2E9DFEEF
3
Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5982DCC-E2FB-4158-AB81-E0A04E55C83A
4
Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, Eny, hatrizay nampitoerana ny olona tety ambonin'ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8643CF6C-1341-49F8-A728-C2F841FFB864
5
Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, Ary indray mipì-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy? [Na: ratsy fanahy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AF83F1D-2759-4B2E-9725-3EFC85ED755E
6
Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, Ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C06E8677-C63C-428E-98ED-58FA90785C21
7
Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny [Na: ny tain'omby atainy.] ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F55E6EFD-7E7E-40F7-8268-125AA3B1E867
8
Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6307A9B-3282-4287-8229-96E1A078A74D
9
Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4608A830-D5A2-45A3-AC14-EDFB5E02EE5E
10
Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, Ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6094D7C3-7623-4798-9A36-2C2CDD2059CA
11
Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, [Na: ota tsy fantatra.] Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85B93DFE-ADDA-478A-98CD-17000FBBFC3C
12
Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, Ka afeniny ao ambanin'ny lelany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D517F4E2-1CB5-41F9-8E46-B0B94A96E8B8
13
Ary tsitsiny ka tsy foiny, Fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DA83B5D-A7DB-4457-BC30-9D9ACB3DCF30
14
Dia miova ny haniny ao an-kibony, Ka aferon'ny vipera no ao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82A3FF98-63AF-4339-BACC-F2FB8F570D14
15
Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E06125A5-2D47-4671-9DA3-231A26EDB5C2
16
Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92B4720F-EB7B-4CE7-BF58-B5D9FF2B2696
17
Tsy ho faly mahita renirano izy, Dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B195D018-0CEC-4F94-926E-9AF084505122
18
Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0D5A3A2-D34F-41EA-A014-2B1F952327B2
19
Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy Ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C23570F-4E2C-4EC2-A005-4244229F2477
20
Satria tsy mahalala mionona ny kibony, Dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC213BA2-5586-4F63-8C71-B0B97910A853
21
Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9112D81-8B9B-4993-9C88-C0E8B6DA3C88
22
Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tànan'ny ory no hamely azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24654099-3CD7-4E4F-A42D-168732A4701C
23
Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|084216FC-39E6-41B3-8C65-4ED91DB948DD
24
Raha mandositra ny vy fiadiana izy, Dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F4EFF8C-697F-4337-8028-7B6E69C53038
25
Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC4C827C-907E-4672-AAC8-B9DEF9F30EB2
26
Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy Sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE665BED-6836-4462-B8E4-8B6725545290
27
Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6593F13C-E3FD-4485-BC18-D7227144EC4C
28
Ho lasa ny hareny tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9B3D0C1-FD2D-43DB-8ADC-15E3CC48096E
29
Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, Sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CF62342-61B4-4922-9B6D-420573A40D74
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany