Andininy Protestanta Malagasy 1 DIA namaly Joba ka nanao hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07CF0043-E3DC-49D2-A27D-5DD892DE3BAD 2 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC23E10F-3423-4E21-B375-1F28F090C1DF 3 Mandefera amiko hianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5E7ED21-7005-4E18-8054-20750EF4597F 4 Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABF5EDEF-E1FC-48D5-A4BC-57B6C226641A 5 Jereo aho, dia aoka ho talanjona hianareo, Ary mitampena vava. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18E72054-1A97-444A-8103-F981EE22DF23 6 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, Sady toran-kovitra ny tenako qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEE7A212-3848-4DE1-BE9B-A2E8C8CE73A7 7 Nahoana no velona ny ratsy fanahy Ka sady tratrantitra no be hery? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|129455B4-BDC6-4289-AD34-6E16F6E8E3BF 8 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, Ary ny zafiny eo anoloany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEBF780A-59E7-44CD-8D68-624882B6D120 9 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, Ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A74C9D7C-6052-45FF-AB7D-7D849913249A 10 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABB3FE3A-60DF-4A2F-82D5-144D9465542A 11 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman-osy izy, Ka mikoriana ny zanany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|829142A7-1A0C-42E3-B659-99716C66BDC6 12 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy Ary mifaly amin'ny feon-tsodina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FEED130-42CD-4EE8-8F75-224E259D4644 13 Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipì-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|211A8008-A95A-4099-826A-5848C5EA58EE 14 Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny làlanao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D796943F-561D-4A53-AECF-A23F6791CCE2 15 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FCBF403-8F8F-45EA-B080-4F595F4B49B5 16 Indro, tsy avy amin'ny tenany [Heb. tsy eo an-tànany.] ihany ny fahafinaretany!Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy! qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFFC4A96-B12A-4684-AEE4-B2D46A931B1D 17 Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, Sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny [Na: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny.] noho ny fahatezerany, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0905177-F44C-498A-8244-4344A3BAE529 18 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy Sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43C3AFFB-9311-4D44-93D8-C08CACF6E0FF 19 Andriamanitra, hoy hianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helo-drainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38553854-7109-477D-A403-6686DAB3055B 20 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, Ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B67BFBBA-7CC0-4833-8E7B-CE20D0CB32BF 21 Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, Raha tahaka ny isan'ny androny? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBC609D7-45B4-4505-9F0B-516524A05685 22 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, Nefa Izy no mitsara ny any an-danitra [Heb. avo.] aza? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27C02949-AFF3-4D74-AF46-6AE026803DC1 23 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, Sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C165C33-DDCA-4DDC-9FCF-E8994C5688B3 24 Feno ronono ny fitoeran-drononony, [Na: Manotraka ny kibony.] Ary vonton-tsoka ny taolany, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95C1ECA6-0982-4815-9F63-E99304D8851E 25 Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa Ka tsy mba nanandrana soa akory. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|244C2BCD-9415-4F00-B1A1-312279E2518B 26 Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, Ka feno olitra ny tenany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A7F8BE6-2564-46A9-9A43-BA3DCAE83945 27 Indro, fantatro ny hevitrareo Sy ny saim-petsy amelezanareo ahy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F631385-D6FF-4B36-8E31-68F8CC3B8ED9 28 Fa hoy hianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha? [Heb. andriandahy.] Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA75D496-3A96-4EBE-BB75-607845FF2660 29 Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va hianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, [Heb. famantarana.] ambaran'ireo hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBBF3187-D8C1-454D-86AB-C3C43838D124 30 Amin'ny andro hahitan-doza dia voaro ihany ny ratsy fanahy, Ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7B6D0D8-EC73-4A64-B105-5CCF7BD33204 31 Iza no hanambara ny làlany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy? [Na: Azy.] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11348EF0-33AD-4325-B2C1-F0811134F732 32 Ary ho entina ho eny an-tany fandevenana izy Ka mbola hitazana [Na: mbola misy miambina.] ao am-pasana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5100478C-7838-4C78-AA3C-A6A9239AABE0 33 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, Ary ny olona rehetra hanaraka azy, Toy ny nandehanan'ny maro tany alohany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB41C81A-A6BB-4657-B266-BE1F19C1F13D 34 Endrey! ity hianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany! qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44408CD9-0A1F-4D10-83A3-21DEE8D24A2D
|