Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE535160-9F53-415E-8C84-BAD1E478D069
2
Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8911E01-EEB3-41D6-8E64-0D8121F95887
3
Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina hianao, Sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|153C1D0E-710A-44D6-B44B-620AC197E525
4
Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, Sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E6BB218-6892-4F6C-9B7B-0C99E0F894C9
5
Tsy be va ny faharatsianao, Sady tsy hita isa ny helokao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14C57226-7BE3-4256-B14C-30FDCA6269ED
6
Fa efa naka tsatôka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao hianao Ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra. [Heb. mitanjaka.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E30E690-99CD-41F0-893D-3E901F890AE8
7
Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta hianao Sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83FBCB36-DB46-4840-9B3D-4C6B92BB2353
8
Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E5052B8-E99D-42A1-90C4-B41FE852D6DF
9
Efa nampialainao maina ny mpitondratena, Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B20C28C9-796F-490D-83DA-D028D04E1C25
10
Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, Ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15F5C732-197D-4FDC-BFA0-CCE234C706E8
11
Moa tsy hitanao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A96C7294-3686-424A-8209-D2A951BFCC17
12
Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|391D390B-9E37-40A1-9ADC-D0166B520A4D
13
Nefa hoy hianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA775A09-B59F-4EC0-8010-EA51FB31BB7B
14
Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1911726E-78B2-48FB-8B57-0B25E883AAF2
15
Moa hizotra amin'ny làlana izay nalehan'ny olona fahagola va hianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F8C1916-FFE5-4AF1-992A-4B5DBD445E38
16
Izay nesorina alohan'ny androny, Ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D649B95-66CB-4353-868E-61F8011E0AD3
17
Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay? [Heb. azy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60784B8A-C5EA-479C-8B3D-661981E03269
18
Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D014A3B3-7F9C-4E2B-92CF-7023336150E5
19
Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07EE1F2C-FF03-496D-819E-448966D3CE80
20
Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, Ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37BC1C8F-076E-46B0-8EB8-69DBB32F4CC3
21
Mifankazara amin'ny Tsitoha hianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCB05C5E-0EF1-4080-AAA6-64379D2A1A81
22
Masìna hianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, Ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB67EA2C-A9EE-49F5-A2B1-F5B3A0FFC3A2
23
Raha miverina aminy hianao, dia haorina tsara, Eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C738655F-64C3-4EB4-9143-CED98C6297B7
24
Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, Eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82A58C8B-E148-4543-AFD6-8F071F6AED33
25
Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra [Na: tsara, na azo amin'ny fisasarana.] ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED9B305E-9C95-47CD-80E6-98BF204AA2CB
26
Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha hianao Ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94E27C0F-8D32-472A-9256-AE5D7657D4DA
27
Raha mifona aminy hianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A76BC31-2E67-49AF-9686-FB600735C96E
28
Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, Ary hamirapiratra amin'ny làlanao ny mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EB57C20-C5A6-4FDF-89E2-89B2AF6F528C
29
Raha misy mietry, [Na: raha mietry izy.] dia hataonao hoe: Misandrata; Fa ny manetry tena hovonjeny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED288265-B5D9-41BE-ADE8-C0517B3BFC80
30
Hanafaka ny olona meloka Izy,Eny, ny fahadiovan'ny tànanao no hamonjena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7B5A1E0-431A-486D-A936-5760D6A16E2E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany