Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Joba ka nanao hoe:
2
Mbola atao ho fikomiana [Na: mangidy.] ihany ny fitarainako; Ny tànana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.
3
Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy Ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!
4
Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
5
Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho Sy hamantatra izay holazainy amiko.
6
Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy.
7
Fa amin'izany dia olona mazina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.
8
Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
9
Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
10
Fa mahalala ny làlana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany