Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Joba ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73E5E8A1-5543-403A-BB22-5C35ED595B5D
2
Mbola atao ho fikomiana [Na: mangidy.] ihany ny fitarainako; Ny tànana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8DBD3CC-BE3F-4C58-BC0E-8AEF9BA8399A
3
Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy Ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46F38098-4822-4871-A129-9D07A43B86B6
4
Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C315300B-659D-4A35-87C0-42CB3BE79DF1
5
Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho Sy hamantatra izay holazainy amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65F3F1FA-50FE-4171-919E-B40499EB2975
6
Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6950156D-80A8-49D1-A073-BFC3D4235E1F
7
Fa amin'izany dia olona mazina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C192E2D-2BD3-4BE8-BEF1-F58BA7FB92C2
8
Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80C6F832-90E2-411E-BC58-E76E0D788DAE
9
Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0ACC5476-03D4-439E-A99B-CC344889C13E
10
Fa mahalala ny làlana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFE4DAFD-7437-4379-9A5B-0264D7EDDF96
11
Ny tongotro nifikitra tamin'ny làlany; Eny, ny làlany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D781E707-377D-4B78-B6DA-06C922CB6564
12
Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. [Na: anjara-haniko.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D7CB7F7-987B-4869-A87A-C8FC3F284307
13
Nefa tsy miova saina Izy, ka iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56C19F02-2D97-464B-B847-3F05289C5E02
14
Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2A07BB0-B99C-4293-BC25-22134E73990A
15
Koa izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CBB9A18-3D06-4548-807E-2A292A112023
16
Fa Andriamanitra no mandreraka ny foko, Ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A051657-9DAD-4C1D-90C8-3FF4DA1861A5
17
Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, Na ny maizim-pito izay manarona ny tavako. [Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9687F48C-2085-4298-A680-DFAE64376DB1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany