Andininy
Protestanta Malagasy
1
Nahoana no tsy misy fotoan'andro voatendrin'ny Tsitoha, Ary nahoana no tsy hitan'ny mahalala Azy izany androny izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5F16EB6-A513-4671-A587-9034A52242EA
2
Misy mamindra fari-tany Sy mangalatra omby aman-ondry sady miandry azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FDB6DB5-215F-47FC-8856-BAABCB420E73
3
Mandroaka ny borikin'ny kamboty izy, Ary maka ny ombin'ny mpitondratena ho tsatôka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C603532F-17C2-4101-A029-1B92E8F87FFB
4
Manosika ny mahantra hiala amin'ny làlana izy, Ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|023FE288-5244-43C0-B46D-A1334F8EF964
5
Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra No fivoak'ireny ho amin'ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an'ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F6AEA07-CBC6-4FA6-9C11-04B5CBC9D65F
6
Any an-tsaha izy maka vilona Sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C27D1D0-2BA8-4773-BD40-EA12A0339584
7
Mandry mitanjaka amin'ny alina izy, satria tsy manan-damba, Ka dia tsy manana firakotra amin'ny hatsiaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|622B3D28-6A72-403C-9659-F74FD3075CCC
8
Kotsan'ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, Ka mitampisaka amin'ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE7EDF09-9F54-4E28-82A5-ADB559F299D8
9
Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy Ary maka tsatôka amin'ny ory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71B3068D-2D15-4FDA-A1F2-D7835B5F68E3
10
Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, Ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BBAD276-7922-4A81-9186-4F82653952C8
11
Manao diloilo eo anatin'ny tambohon'ny mpampahory azy [Heb. tambohon'ireny.] izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7933A4A0-BA47-454C-AC08-D45F3183A633
12
Mitrona ny lehilahy ao an-tanàna, Ary mitaraina ny fanahin'ny voalefona; Nefa tsy ahoan'Andriamanitra akory ny ratsy atao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96DDCFA3-0F94-449A-9205-0AE7782D14BE
13
Ireny no mpikomy amin'ny mazava; Tsy mba mihevitra ny làlany izy, Na mitoetra eo amin'ny alehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6954693E-6FC2-42E2-8662-F35F50E270AE
14
Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, Ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98DA1852-7BD8-4BE2-91E4-9D3FC0FCFFCF
15
Ny mason'ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, Ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy; Ka dia manao very maso izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C67AB92D-6238-424A-900E-CCCFD1946B11
16
Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B42D330D-3ADF-4C68-A7FA-CC204B7ED287
17
Fa ny aizim-pito [Heb. aloky ny fahafatesana.] no marainan'ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran'ny aizim-pito [Heb. aloky ny fahafatesana.] izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5038FE0-67D9-412C-B753-341442CDBEDE
18
Mitsinkafona paohin'ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin'ny tany; Tsy mivily ho amin'ny làlana mankeny amin'ny tanimboaloboka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D2AC37C-1E6B-43AB-B6FA-04523D0E4870
19
Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala No andevonan'ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] ny mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|191DACA2-7690-47A3-B5CD-D0EA4D8EEBBC
20
Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an'ny olitra izy Ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy, [Heb. faharatsiana.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|093ED95C-FED7-471E-8D8A-4051F56F4C88
21
Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka Ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDB4A784-AB62-447E-A2D0-C30BC2081CED
22
Kanefa halavain'Andriamanitra amin'ny heriny ny andron'ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26B01290-E82C-48A3-8D75-D795AEF634D9
23
Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, Sady tsinjoviny mandrakariva ny làlany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FE8522C-12A3-4FDD-940A-44ABA85FFA86
24
Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, Dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, Ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7849BC5-FB11-4FC5-B614-D3F7FA94DF7D
25
Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy Ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5769033-924F-4531-8108-A4FAAE46E7FE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany