Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa misy tany fihadiana volafotsy, Ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|571C769E-4F85-470F-BC5D-D2C89133C56F
2
Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, Ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9070E6D1-DB41-44CC-BA3A-7BAD93C82870
3
Ny mpihady vola mampisava ny maizina Ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, Dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A052175-0589-474D-B0F8-D106DCE673FC
4
Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy Ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, Ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E1680D0-4C6F-4575-BC8C-3E030B46CD7E
5
Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEC35D0E-635B-4665-BC80-45997ED35935
6
Fitoeran'ny safira ny vatony, Ary misy akoram-bolamena ao aminy-
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95A1DB2B-A70B-411A-99B5-FAE492CD5BBC
7
Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza Ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82D1319F-ADDA-468E-B2EF-7866E58AE38F
8
Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia Ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BC1BEC6-0C76-47CC-89DB-EE5C702F79E5
9
Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo Ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2A2C2B3-CB77-491A-A802-882B92CB4ECC
10
Ny vatolampy tatahany hatao làlan-drano, Ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|664E4FB9-48BA-4E46-B65B-2613E8ADE36A
11
Tampenany ny làlan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83AC8F59-848F-4574-BBC0-9B0F989A81A2
12
Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CECCA3D3-8051-44AF-A2BA-E03925A41697
13
Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, Ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|977001CF-F6D8-437C-84DE-DFB4C2E41920
14
Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, Tsy ato amiko izy, hoy ny rano masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE59C890-FF89-4B8B-92D3-724636A29C1A
15
Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, Ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BDB816C-C705-4D70-85C5-6689E0419CDA
16
Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, Na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25208639-AEB0-4C43-A921-1355768DF889
17
Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, Ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2351EDFE-7ED9-46B1-8DC8-B4A064D59F99
18
Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, Fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28F32344-2D3D-4A97-B745-87BDECE3A556
19
Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azoampitahaina aminy, Ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|960FE5BC-9322-4DCA-AA39-DDE438850EAA
20
Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D9BB4C5-001A-4ED9-90D7-4415A738F58A
21
Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany Ary takona amin'ny voro-manidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAB803A8-76A7-4D71-9DA7-2FBAD5639C7D
22
Hoy Abadona [Abadona=Fandringanana] sy Ifahafatesana Ny sofinay ihany no nandrenesanay ny filazana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FE16DD9-1F29-4C81-B9B4-17440DAD0F99
23
Andriamanitra ihany no mahalala ny làlana ho any aminy, Ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63C06520-AE4C-4EA4-A80A-F476FA603BB3
24
Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany, Ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAB66420-1CFD-4CFB-B6AD-A535510932D6
25
Ka manendry ny lanjan'ny rivotra Ary mamatra ny rano amin'ny famarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B3A672A-F9DB-4535-BB8A-2020577FB72C
26
Raha nanao lalàna ho an'ny ranonorana Izy Sy làlana halehan'ny helatry ny kotro-korana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9AC28E1-41A1-40D6-8347-D06101932A49
27
Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC8454E5-9B8E-4715-B23C-6E3C1CA82C9A
28
Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena, Ary ny fialana amin'ny ratsy no fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D89CD17A-ABBF-4F44-B65D-7851F3F5F9B4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany