Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8A1B223-728E-49FB-A965-CDE40C103814
2
Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD8DF93F-81CD-42F0-BC0C-10DF958A1809
3
Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, Ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8CACE8B-F4C5-4ECA-9534-98BB4159718D
4
Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, Raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8010E5F-DEB5-4634-A1FD-C6632CB259CF
5
Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako; [Na: ny ankizilahiko.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB19D3C4-13A7-4712-918D-0DBBE3F40AEA
6
Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, Ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE498AC7-AFCB-4551-940A-AC0CA08E2BFD
7
Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho Ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBB9E806-E2AA-4AF3-BA2E-C85CC58EFAAF
8
Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F4C54CC-C7A7-4AE1-A21E-AA76A94C7B7E
9
Nangina tsy niteny ny lehibe Ka nitampim-bava;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88D23AC7-C568-49CF-A200-749EC02C27E7
10
Tsy sahy niteny ny mpanapaka, Ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D320083-F718-43A0-B894-3ADDF44B1FB0
11
Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F49090AD-E4B5-42E3-BB68-73B9A0423FC0
12
Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho Sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADDF81B6-56ED-43F6-8E71-6FC8C986624E
13
Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko. [Heb. nampihobiko.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03EF5EA7-962A-497E-A19C-EC6EE46DC72C
14
Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA8248BB-C4B5-4B37-A3B2-34C679570E0D
15
Efa maso ho an'ny jamba aho Ary tongotra ho an'ny mandringa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A744BC7-7E22-4B5B-B58A-B80B6BEB30FC
16
Efa ray ho an'ny malahelo aho, Ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D475D8E-98B0-4229-B938-457B1B5AC1B5
17
Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho Ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37D28573-56AA-41B1-B08B-92AB2D4D4740
18
Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, Ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38E43253-9B92-4481-ABB6-68D5A10A4393
19
Ny fàkako ho azon'ny rano, Ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24C00F31-7FAB-497B-BC0D-6573A72674F5
20
Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, Ary ny tsipìkako hihahenjana eny an-tànako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC4C5783-17F6-43BC-9395-CDC0F584928F
21
Nihaino ahy ny olona, dia niandry. Ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBC60CBE-8950-4050-B117-59F4CE1E2E1F
22
Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy Ary nitetevan'ny teniko izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DC4A0DB-C2CB-4457-9B76-C9CA2BCD4EE7
23
Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy Ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C9FA5BE-0B11-4AA6-B90E-24DA8AAF8CCF
24
Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, Ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FC15970-6892-4379-89D0-545D26EC4CA1
25
Nifidy ny làlan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, Eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila Sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F56EC9F9-372F-4705-8075-3E4D67F29D52
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany