Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28CED455-7C5E-4703-AC73-D20AC95BB1BF
2
Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana Amin'ny teny tsy misy fahalalana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B3A6248-B534-4E92-9397-292D8CE2F7E4
3
Misikìna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8D809CF-3AD0-4841-8978-086289D642E1
4
Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60EAA139-7383-4DE1-A960-8106C0270D67
5
Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF71CAD3-A7AB-48B6-BF41-73D40945DF99
6
Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, Ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09437F4A-F73E-47E5-9998-CB4B1CC55B68
7
Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, Ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19DF588B-75A2-4334-B9EE-3A25B1DDA39E
8
Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, Raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83446B60-3017-40AB-8B69-6AB3F4F9595A
9
Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho Ary ny aizim-pito ho fonony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B0CC325-DA84-47EC-AB5B-19387D85B377
10
Ary nandidy ny ho fetrany Sady nanisy hidy sy varavarana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59A47B76-B8DB-48E6-8195-C3E7B3416123
11
Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, Ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|557D197F-4D5D-4299-B9E1-5839343039BC
12
Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va hianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|553E4A1E-167A-43B5-8FB9-4096F5113793
13
Mba horaisiny ny sisin'ny tany, Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD3CA13A-ECDA-4FDF-8CB5-E45A88BBD5C2
14
Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, Ka hiseho tahaka ny lamba misoratra [Heb. fitafiana.] ny tarehiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF92BA0D-2445-4C2B-BE0D-FC273CDAF861
15
Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, Ka ho tapaka ny sandry naingaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06D5444C-F1D6-4F34-BE3B-25D3018C810E
16
Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va hianao, Ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52415BF2-4524-4C0B-8A7C-478177BF19D7
17
Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DE998F2-F964-4E23-8D23-6BDF95CFF75E
18
Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C890420-CA01-4DF3-B0ED-9FF65257CF7B
19
Aiza ary no làlana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B69A4DEC-477C-4A74-A34C-8F29F9554A7A
20
Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, Ary ho fantatrao ny làlana ho any an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E2274A7-4D4B-4AF4-8F15-65737AE88784
21
Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka hianao tamin'izay, Ary maro ny isan'ny andronao!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CC17BB7-C74A-4756-A946-22A2990521E4
22
Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny orampanala va hianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D85D586-ED79-49BA-9F01-BD028ECD1429
23
Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, Dia ny andro misy ady sy tafika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2649576-98B1-4760-B61E-21723ECB899A
24
Aiza moa no làlana izarazarana ny mazava Sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho ety ambonin'ny tany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C973D58A-3FAC-468E-995B-96C84D946464
25
Iza moa no nihady làlan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, Sy làlan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EC9E80C-0B91-4982-89A3-8B5EF11B9BBE
26
Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, Dia any amin'ny efitra tsy misy mponina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28A311CF-C57E-4C60-80C9-683CBE04F78B
27
Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, Ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14FC9177-8D69-4BC6-B1DF-FD96C3D08B57
28
Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EED8C1CD-749A-4706-8B11-E800D738BADA
29
Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|875B080A-4B69-453C-AD36-4962D24F76B5
30
Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D27D6C57-2E44-460C-8433-55C935793976
31
Mahavôna ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va hianao, Ary mahavaha ny Telonohorefy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E070B040-F699-4C73-BE94-D42B37767C86
32
Mahavoaka ny Mazarota [Anaran-kintana; ny Zôdiaka (?).] amin'ny fotoany va hianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1951A2CD-2ADC-4426-B8E8-60A8A6D474A0
33
Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|761EAFA9-9F2D-4D6B-8961-82A3BAFC74FE
34
Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va hianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73207C07-42BB-4BC0-8C0F-BDA32F4048FA
35
Mahay mandefa ny helatra va hianao, Ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1AF1ECA-1616-4758-9EF3-34FD90401A6F
36
Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho ery an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? [Na: Iza no nanisy fahalala ao am-pon'ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2F5A155-3820-4FAB-915E-553F79AC385A
37
Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon'[Heb. siny hoditra.] ny lanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D92267F-06EF-4A31-AB12-90E5D8F0B36E
38
Hitambaran'ny vovoka ho dilatra Sy hivonganany ho bainga?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58246C96-08AF-4432-9E40-CB3946D8C01E
39
Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va hianao, Sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E4E2D30-11AB-4305-B4D8-15F16888F4B4
40
Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy Ary manotrika ao amin'ny kirihitrala?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3805E7D9-A64E-4AF8-A354-97757D7EA1A8
41
Iza moa no manome hanina ny goaika, Raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany Ka mirenireny tsy mahita hanina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BC65016-4786-43A2-8E75-98FBE20A8C9D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany