Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FDCF903-CA76-4EDF-B5A1-3D4B0D0863B9
2
Mahisa ny andro ahatanterahany [Heb: ny volana taperiny.] va hianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C316724E-D96B-4E85-BDC9-DDEE46665B0E
3
Miondrika izy ka teraka, Sady alefany ny faharariany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B6CE9CB-3A99-498C-946E-C1BDEF2BA630
4
Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|176FFD0E-841C-4AD5-95BA-E0C2B4B726EE
5
Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no efa namaha ny fatoran'ny boriki-dia,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4128795D-CCC8-4F03-9C82-878776E9128A
6
Izay nomeko ny tani-hay ho fitoerany Ary ny tanin-tsira ho fonenany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D25AE29F-ED5D-4020-8B9E-5A399645A415
7
Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C63AA7EC-B411-41CF-A349-B2B1955448AE
8
Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, Ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AB5D9D6-21E9-403F-A8A4-8FAD9BDBE6C1
9
Mba mety manompo anao va ny ombimanga, Na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A2E4FD1-B5B7-446D-B62D-F5EA321001B6
10
Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va hianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54099B34-0E00-47F3-A557-4CF39326BB2E
11
Azonao itokiana va izy, satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DE0566A-8C5B-4DC4-AC6D-44515D1D7A99
12
Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy Sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D041CA01-DC8C-4140-8784-8C126630B5FA
13
Mikopakopaka noho ny hafaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74D96709-64C5-48C0-B595-E1440A11C346
14
Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy Ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B230657-6652-4DA0-8B56-6EC4850E7F61
15
Ary tsy ahìny izay ho voaporitry ny tongotra ireo, Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BC45AE7-2A97-46FB-AD64-B347DF4D2D25
16
Tsy tia ny zanany izy, fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C5B7BBC-8CB6-4746-9872-FA5117124CF9
17
Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, Ary tsy nomeny anjara-fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CED36F80-2C89-416A-8BA5-8A0E37534A9A
18
Raha mikopakopaka elatra toa hanidina izy, Dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7C1117C-9F99-4149-8643-EEFABC1F1BBD
19
Moa manome hery ny soavaly va hianao, Na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B55E271B-E5AC-4D29-BC7A-2A5B967DAD31
20
Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va hianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B460714C-986B-4E5A-9D70-9D991758ABD2
21
Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady [Heb. fiadiana.] izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA88CE09-DC19-4F35-8ABA-6335F3DDC23C
22
Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7F152D3-61E9-461F-83D1-51F73597385E
23
Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka [Heb. tranon-jana-tsipìka.] Sy ny lefona manelatselatra ary ny lefompohy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A99A287-359D-464C-B59C-8C7894DCD059
24
Miriotra mafy [Heb. Mitelina ny tany.] amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy Ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara. [Na: Tsy mino izy fa feon'ny anjomara izany.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0DED19B-C45B-4CE0-980E-BD4EA2FBBC2B
25
Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, Dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7218C76-0E54-4336-9F91-EB22C47CAD22
26
Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika Sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D31022E1-CBCA-4CC2-84C0-323700E04F84
27
Noho ny didinao va no iakaran'ny voro-mahery Sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37249D55-AD86-43FC-B96D-0A58C2B21984
28
Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, Dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B127FCF8-9C73-4373-AB81-B08E5444C7ED
29
Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F28E76C-15DF-4CED-A6D6-73772C31220B
30
Mitsentsitra ra ny zanany, Ary izay itoeran'ny faty, dia any izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D991F9D7-DED4-4611-AE36-75082D266F26
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany