Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3473A91C-E9AA-4DA1-8AE3-2D8DAC6D8375
2
Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFCAC1EF-B4D9-43E1-91B8-2DF68A422C44
3
Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin'ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|092E91ED-1932-4253-9D79-275730C2ADCD
4
Tsy mbola hangina Aho ny amin'ny momba ny tenany Sy ny heriny ary ny fahatsaran'ny endriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C917D943-D60B-414A-A9B8-1594EA03E2B1
5
Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin'ny nifiny roa sosona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|252B66D3-056A-479C-AB60-8AA1C69C2205
6
Iza no mahasokatra ny varavararan'ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B2720CF-352D-45E2-B826-70E924D44CCC
7
Reharehany ny faharaoraon'ny kirany, [Heb. ampingany.] Mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase ireo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF5A4B02-D49D-4F70-85FA-9B0D02225BBF
8
Mikirindro ireo, Ka tsy azon'ny rivotra idirana eo anelanelany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01D91F79-9B8D-4B96-8D08-5CCCC5BAB9AB
9
Mifanindry lany ireo Sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66005533-4A7D-44B3-9449-68CECFC084F7
10
Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, Ary ny masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|940E7C19-D8D0-4D74-A3D1-71DC6CBCD189
11
Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1911FD46-C912-4DA7-8A5A-CEEAEA1B2CFE
12
Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, Tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana. [Na: afon-kerana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D127C4B8-A437-433C-98F1-7F2792B0A35C
13
Ny fofonainy mampirehitra arina, Ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75390A6E-D765-46F6-B5BD-21F97DEA3299
14
Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA1C2B7D-95E1-4A6B-A210-B07237D96F9F
15
Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A222FC8-698D-4140-9534-B0815643E6C6
16
Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9978B2F5-79AC-4F31-BA59-E91EA91AB6E2
17
Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CDE207F-501E-4AC1-84FA-9237AD5A2CE5
18
Raha misy mamely azy amin'ny sabatra, dia tsy mahalaitra, Na amin'ny lefompohy, na ny firombaka, na ny zava-tsipìka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F63D8D4-67A7-4100-8FAD-5D0EE6B79E7C
19
Ataony toy ny mololo ny vy, Ary toy ny hazo momoka ny varahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63F31623-0CD6-434B-93C3-0A51CABAC821
20
Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B96B0BFE-9E41-4AB3-BBB6-8A7CC4E68C24
21
Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5834219-FA4F-48CE-B2BD-0FAF6064E39B
22
Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B8DF60-CF18-4940-81FC-AB2E80052E88
23
Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9878443F-AD30-448D-B6E5-B87C9EDF8B6F
24
Mampahazava ny làlany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11E7A9D2-2E12-4521-A17E-C1A49ACC8051
25
Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, Izay voaforona tsy hahalala tahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C014FF30-0208-4A8A-9750-5094CA755A37
26
Ny avo rehetra iereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92390EA1-8ED5-4676-8262-4808EAB767B7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany