Joba 42: 1-17

Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A80503C-7E9D-43E0-A6B8-A67056E3E11D
2
Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, Ary tsy azo ferana ny fisainanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|547F231B-B8E2-40F6-80DD-984EEA9C619D
3
Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, Dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|654768B8-94F2-448F-99A0-1BA33CF064C5
4
Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0214711B-289C-4C13-B69D-361371424C9A
5
Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E71BA85B-837E-4C68-B940-E6DFFE7692EF
6
Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A66732E-37EC-4358-B2DF-E6239B5ABE23
7
Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy ta min'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako, satria tsy mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F58CDD1-CEA9-498C-AC8B-508980305243
8
Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fa hadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58C18D27-4313-4E39-9E0D-E8B1EDD19A03
9
Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an'i Joba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA1E89ED-F3CF-4B4B-AF3C-40C434620C42
10
Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D53663F7-D2B3-44BC-AFDB-EFE10B92C450
11
Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola [Heb. kesita; izahao Gen. xxxiii. 19.] iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAF529F2-CDC5-4459-9297-4495DD25755B
12
Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany, ka nanana ondry aman-osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|265E6707-5FD6-4D28-87DF-A05D9C7BBE9E
13
Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|664E3D0B-70C9-4174-9C5D-500D7CD348C3
14
ka ny anaran'ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran'ny faravavy Kerena-hapoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE1A7659-CFCF-4BDB-9C26-05DBD442C6D3
15
Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra; ary niara nomen-drainy lova tamin'ny anadahiny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8394C89C-BA38-4106-B82B-E03B1CD2B671
16
Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zanani lahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB7956C2-5863-4728-A52A-7C2CCB35CDBA
17
Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana. [Heb. voky andro; izahao Gen. xxv. 8.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|134A2A6F-296B-41E3-BACB-73155F211F13
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany