Joba 5: 1-27

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABB22DD1-D6C3-45A8-8E3A-30D3CAF2D964
2
Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, Ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81B559BF-7FB8-4FA1-9074-61D715B25793
3
Izaho nahita olona adala mamaka, Nefa vetivety indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC80757A-A265-41CD-8AC5-D71F0802E83E
4
Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7AB5574-55F7-4B95-AB37-FC1C3BC1BACF
5
Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, Eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; Ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0D6DE75-9AF1-4808-892F-01E084D63C67
6
Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, Ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F43217E0-F5A9-4A81-982B-DF7C959BCF32
7
Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, Dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EE2470B-D367-424F-A747-6EAAF7E0BEB8
8
Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, Ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2012A575-BB01-48A0-A40F-F2A395C744F8
9
Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Sy zava-mahagaga tsy hita isa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E60D48A1-AFB2-4D3C-A3AE-4EC99F796497
10
Dia Izay mampilatsaka ranonorana ety ambonin'ny tany Ary mampandeha rano eny amin'ny saha,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34F87F48-53DF-41A2-BFA0-27EF61C58A15
11
Ka apetrany amin'ny avo izay ambany, Ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58F4081D-1004-4AE6-A9EB-E0429230483A
12
Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, Ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9EFF734-A0AD-4125-8C4B-801EF44E227E
13
Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, Ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0AB5B0A-76C4-43CE-B1B1-350F5EC64E99
14
Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny Ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A580A6EF-9106-4EDB-8724-7F37CEC0EBEB
15
Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tànan'ny mahery izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD55DD15-3846-45D3-9321-9525D4C0AB13
16
Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; Fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F262D428-56A0-4350-B397-4AE187A019CF
17
Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra; Koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF8E9163-B499-4DEC-B1C7-571612D9B772
18
Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A87298F-92CD-4A91-9CD7-E53332DBC01E
19
Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8A59646-4C4B-4111-AA85-44B14DB4D981
20
Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BDD5A67-E766-40E0-BA75-54D9CA47EC3B
21
Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava hianao, Ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A976DDF3-ABE1-45CF-9E42-586913C3CAD0
22
Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; Ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B674C9A-8535-4A66-B347-EE6C02E680E0
23
Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza hianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC7763A3-1DB9-422E-9612-8548668D05E3
24
Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao hianao, Dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4270C9E2-3E58-43BE-B1E8-82EB1DD146F3
25
Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, Ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6F36869-4B40-409B-B09D-DFA32DC23D3C
26
Haharitra hianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, Dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97FF4434-2DFB-41BC-8876-106F286A3731
27
Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C4116B5-2534-4461-AC30-A5D5E85C9B64
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany