Joba 6: 1-30

Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Joba ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E15B2ADE-EC1F-4FC7-AE12-B88C74F43F34
2
Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, Ka hampifandanjaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA849601-4293-4335-8BAF-518833826502
3
Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, Koa dia nirediredy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45E10C83-5C7F-433F-873C-33ACE9551C50
4
Fa ny zana-tsipìky ny Tsitoha mitsatoka amiko, Ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahoran'Andriamanitra milahatra hamely ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB224482-BB9D-4BC4-9798-3795CE7FCF11
5
Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA8D89E8-45D0-4E3A-A831-6D9E2F853C2E
6
Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody? [Na: ranon-tsikobonkobondanitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96BC5907-97FF-4DAA-BC56-51ACC57D8C21
7
Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, Dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7D9474A-771E-44B2-B3B0-A64A940F815F
8
Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, Ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3680646-C464-4D86-B777-BD0317163968
9
Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B32A531-6DE9-453E-B259-A0A8EEC1B9AD
10
Dia hahita fiononana amin'izany aho Ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, Satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88DB7824-9D68-4098-95A2-8E6FD31434DB
11
Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo [Na: hanalava ny androko.] aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CA94A8B-5555-44FA-B543-1CAA6F9F5A71
12
Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8050545B-52DE-46FF-8886-DA181FA3C4A8
13
Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, Ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CCDDE78-C15C-476F-9FBB-2069E9A3026B
14
Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EFB1E1A-AA22-4DFA-8C33-BCC071CB6059
15
Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, Dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DBE3AEB-8165-4C63-B0F0-519EFA1F44E7
16
Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny orampanala;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD169C7B-DD0A-4DF1-8F0F-51307D7763F2
17
Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; Raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BFD91D2-3548-4971-AB31-7825FEC5F00E
18
Mivilivily no fandehany; Tankina izy ka levona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F33C085D-8613-4D6F-B8EA-7CB0D0EEF7A3
19
Ny antokon'i Tema mitazana, Ny andian'i Sheba manantena azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A9F3454-7FBE-4CDD-A507-FD0E6E1A0A18
20
Very hevitra ireo, satria samy nanampo; Tonga teo izy, kanjo nangaihay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CA8749C-F766-4486-B3C3-3F11FB65C091
21
Fa ankehitriny efa tsinontsinona hianareo; Nahita ny fahoriana hianareo ka raiki-tahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE00B6AE-3912-4C5B-A503-05425BC67E4C
22
Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, Ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|630F57D4-B268-4390-8144-36D5FBCB539E
23
Ary vonjeo amin'ny tànan'ny fahavalo aho, Ka afaho amin'ny tànan'ny mpitohatoha?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61668E92-721E-416D-8A31-E7419560E646
24
Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70386938-9CBF-4C5F-AA13-33BF949F5282
25
Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDDAFAA9-F055-4B39-9033-460464004BA2
26
Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3ED103F0-98A1-42EE-B524-EE9AC9782B14
27
Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, Ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C46906C-78A3-45D3-BCE0-090A5B358917
28
Fa ankehitriny, masìna hianareo, mba atreho kely aho, Dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|424D8308-E080-4136-9C33-C9FE45C3F4BD
29
Masìna hianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; Eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43B0027D-15A4-4A4C-9C92-EF9C5FBC49BF
30
Moa misy heloka va eo amin'ny lelako? Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F35DCEF-14D4-445D-A679-F2E0822A2FA3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany