Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA namaly Joba ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10EFA01F-E53B-45BD-BFAE-ED56960DF8E0
2
Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7671FC0D-7AC0-4ED2-94AD-66A3AA57F9BA
3
Raha te-hifandahatra aminy izy, Dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F6F1CED-F74D-4D7C-AD1C-48C1BD140BAF
4
Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; Iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A6055D5-2C6B-4BDD-9F79-57875A3800C6
5
Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, Izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23EE9B60-45D3-40C5-BB05-12F53F482D54
6
Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, Ka mihozongozona ny andriny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EF98C64-C5AA-4079-A26A-0FF5B63D5632
7
Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, Ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|690D0B10-7017-49F1-9A62-4743A4DD939E
8
Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra Sy mandia ny onjan-dranomasina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C340BCB-C096-4C9F-9DFB-3BA3F6F0C874
9
Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona Sy ireo kintana maro any atsimo, [Heb: ireny efi-trano ery atsimo.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2626C1F6-E0F9-4498-B563-C7C9F6F41B58
10
Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, Eny, fahagagana tsy hita isa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|882FFAAB-31A4-4EDC-80C1-54CF214ED4A6
11
Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C20C9DB-600A-4EC5-B0BF-755F4CCD6B31
12
Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D73B03A-2E1E-42D3-BF34-43BCB28BAFE1
13
Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba [Rahaba=Rehareha.] aza dia mitanondrika eo ambaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93210D5D-406B-48C6-8237-231079B197A4
14
Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, Na mahafidy teny hifandaharako aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B72057D7-9848-4BCD-8CF7-8EB2B96E0ACD
15
Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBB20A64-D77B-43E2-9FED-56AAE22354D5
16
Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, Dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|596741D4-BFBA-49EC-9E44-7DBFFD142020
17
Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy Ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DF5308A-32A1-41C4-89CD-D2519EC67510
18
Sady tsy avelany haka aina akory aho, Fa vokisany zava-mangidy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|469CE6F4-013A-4556-BD17-CD5D75407B76
19
Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03EA1D18-E7D4-4FDB-81AC-8C35747C75B6
20
Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|325FF101-D713-4F1E-B36E-CAB100F7963B
21
Marina aho,- ataoko tsinontsinona ny aiko Tsy ahoako izay ho velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|802380CF-4AD3-4792-9346-93C65A7F82C7
22
Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7B9412D-89DA-4363-9E59-CE92DD8A68E4
23
Raha misy loza [Heb. fikapohana.] mahafaty tampoka, Dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A052A3B6-5EA9-4B19-9371-2D544132E6BF
24
Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ity mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza kosa ary?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29B24BBF-CA8D-4BBD-810F-8DA2A5A3BAAA
25
Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C64CC8E-F451-4BE4-9A79-293BE4D17A60
26
Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha [Heb. lakana zozoro] izy, Tahaka ny voromahery mipaoka hanina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D83A800A-2A94-49CB-989E-FCCB6095C211
27
Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, Hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B9D0824-DA40-48DC-8826-EC3F41635A3F
28
Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6198CD75-8A32-4427-9235-69F2CA51226A
29
Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, Koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|615AEC4F-D7A3-49B8-A5C6-10CF9AA89663
30
Na dia mandro amin'ny orampanala aza aho Ka manadio ny tànako amin'ny ranon-davenona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|630223F9-A26B-4734-BFF2-E0DA0283A6FA
31
Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, Ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04D495CC-E5DB-4A00-BC06-53D5EDF7A972
32
Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana Hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A4731AE-D3E2-4CD9-89E0-F25125DD7FF7
33
Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A0201B6-425C-425B-99F8-DB13EDEF14C5
34
Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, Ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D048562D-5EA4-4C70-A2BE-BD194097625C
35
Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA68FA3B-4B44-47B3-B399-C7ACC93C6F6A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany