Andininy
Protestanta Malagasy
1
Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7379A42B-9CFA-4307-A62C-51D70A429593
2
Noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo*; azon'ny fahendrena nataony izy ireny.[Na: miolomay manenjika ny malahelo izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C8FC0C5-368F-4E2D-8C93-D710B666C364
3
Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCECA2A2-BCF2-422F-A34C-4843644237C6
4
Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, Tsy misy Andriamanitra no tontalin-keviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C99C2C7C-E35F-425E-9845-1D2FACF2FF92
5
Tanteraka* mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? [Heb. Mahery]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDF8D458-EAC1-4753-B7A8-3885F6D3A1C1
6
Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|211E9BD0-1AB3-4850-AC3A-EB2112AF3830
7
Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79564373-996B-4204-8351-582B94BD73B0
8
Mamitsaka amin'ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7C4732E-AB6E-4872-BC07-BEB231DA8031
9
Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|430CFDA2-D538-4D73-84DC-3DC5779F2FC7
10
Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AD17582-D3FE-4C99-BF98-77DE6CB554AF
11
Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC3FF0C8-609D-41DD-9916-CCBFFC081CB5
12
Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC614DEB-3458-4AAC-8CB4-3DB2B835CA09
13
Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B337C6AE-4058-4634-B372-EC1455BA4E5A
14
Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|267F9C61-8C07-49D1-8F73-2FD43A47436A
15
Torotoroy ny sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0799343-17F3-48EE-81EC-139E0CA061B1
16
Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E1D0FD9-4D9E-46D0-B7B7-9705D6E1FFDA
17
Efa nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|765A738A-F791-468D-B715-B383C2485CA9
18
Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona ety an-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6281D3C-70C6-4524-9972-9FF25672F39D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany