Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko* no hihira sy hankalaza.[Heb. ny voninahitro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A607BBF-A91E-4ED6-9951-02888579FD41
2
Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho*. [Na: hampifoha ny maraina aho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2E384B5-020A-4494-932D-1F23592A53B7
3
Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A119F812-B7AE-4272-8717-3EF41BD849D8
4
Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3279AE21-8944-4F2D-8CF0-13BE9A5E5F66
5
Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho ety ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|716CAE5B-1BA3-457A-9677-FB832D694629
6
Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E25F2DC4-72F3-479D-8993-2ED64CF1410A
7
Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6279466-9CF8-4B7F-8808-D307942E3368
8
Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E77B1D89-8B9F-4BE1-B62B-1F076EDF7050
9
Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6907EFF7-C8DC-4D99-94E2-A8C846BA6AD4
10
Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5703E9E3-4651-40EA-9A2E-1CF1138FBAD6
11
Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3934790-8C74-4B72-8CA9-C24507A296C8
12
Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCE1A59F-1B80-43BF-B128-8E50688DAD18
13
Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|947C1AC3-4C9C-40AC-9D53-AC65104FC02F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany