Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely*? [Na: ry voronkely]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6565543D-6243-42A4-9FFD-65EDE4D74F48
2
Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF56BC11-0278-4D41-A086-F1AE05F1B536
3
Fa rava ny fanorenana*, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3565A4A1-0559-4522-AC84-81895CE59FC8
4
Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AEB5C94-D1A2-4AC9-97B7-B72505E7CA40
5
Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C231715A-1B5B-4716-9E2D-C59D6FF70198
6
Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA52847C-7524-469B-B159-668498DE828B
7
Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF764DD3-3AFD-421B-A712-87E57BE6144E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany