Andininy
Protestanta Malagasy
1
Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3303C9F1-1313-4B5E-9E85-6621FADAAD63
2
Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAB64D73-DEDF-4E02-9DAD-5BE5BA0025A1
3
Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|996889D0-C4BF-47FD-9933-64DC2BCE196D
4
Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32BF9908-E2F4-4FF1-B1F9-6A0F3E9A1771
5
Nomeny hanina* izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BA80C95-27B0-404B-BCAE-32C27239D3D9
6
Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|956EC3DB-2690-4B9E-BB2E-8BB791718BAF
7
Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DBAF15E-1C5A-4E3F-97B9-BCEC07CEA43B
8
Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|424CDAD5-1F95-433C-B968-26C48ED3DE35
9
Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D19EB68-F0D4-4700-AB77-15B828D2162B
10
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatô izany*; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2BB51A2-28B2-48F2-9F62-BFDD3EE5A8A3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany