Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58193D84-1BFD-4EC7-AE40-E27613FDFC9D
2
Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|374D922E-E47A-4D5B-B77D-B0501D77FD6C
3
Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A09A521-4F71-4326-B11D-3E4A81BDF4C7
4
Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EAEDAA1-77CC-408F-805A-602818F74E49
5
Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany*. [Na: Hataoko mahita ny famonjena iriny izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58C832C3-6FAF-49D4-87C0-3D28F0981DD1
6
Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A836A9C-08A9-4E60-9037-0B4D68096BCC
7
Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DB1B5BD-B7BB-41BD-B379-7534B65F346E
8
Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8568F3B2-AEC6-4E13-A6A3-F50ED6284A4F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany