Andininy Protestanta Malagasy 1 Fihirana fiakarana*. Jehovah รด, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Dia ilay nianiana tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe: 3 Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako, 4 Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko, 5 Mandra-pahitako fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.
|