Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F3469D8-42A9-4E76-80E1-E694E4B62274
2
Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77DB87C1-9CF2-4A64-8474-7E461619E530
3
Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B830AF2-08DA-489C-BDB4-376CB531BDE7
4
Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59800D9F-319A-4BCC-8638-D0273FE7DF1B
5
Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|354AC96F-36A8-41C1-8323-E49217D2300A
6
Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D998CEA-80BD-48A7-ABE7-C29413918730
7
Aiza no hialako amin'ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42A4105E-CBB7-4364-A241-4BB87E904194
8
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita* ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.[Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EED0FB52-37CC-458C-B384-0BF20CF2E293
9
Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran'ny ranomasina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2355366-57CE-48D0-8750-1866E25E0E00
10
Dia mbola entin'ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin'ny tananao ankavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B0588C9-6B20-4274-A8F3-775977D8762E
11
Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09453739-EEA9-4E55-9B11-F83319203492
12
Tsia*, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.[Na: Na dia hoy izaho aza: Hanarona ahy tokoa ny maizina, Dia ny alina aza no ho mazava manodidina ahy; Eny, etc]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|970AC180-F75B-45D2-968F-D96D7E5DFDE9
13
Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E16BF107-3AD9-48E3-A39B-4E16F240396C
14
Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25B03A14-C996-4AF5-8A0F-5695994B18E1
15
Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C87692D6-54C1-4FA5-8B83-6B02C1EBA02B
16
Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9BB28D6-484B-4B29-8054-EFCB42B90EA2
17
Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron'ny isany!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|595204B4-192A-4545-8748-94F454E3605A
18
Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74F42A98-15C7-4816-8D2A-07ABB16E8B53
19
Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô*, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà. [Na: Haringanao mihitsy anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04783E32-37CE-45CC-AC04-60DC4440C437
20
Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5407AA80-AEE0-4FB0-B910-027CF43CD20B
21
Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra* amin'izay mitsangana hanohitra Anao? [Heb. ho maloiloy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90527652-6F90-457E-B090-6A17006AB37F
22
Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FD1321C-F1FE-4194-85B5-591917AB38C1
23
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4332017-3B2C-4D7F-B300-13A4F760690C
24
Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFE71107-F0BD-4689-A5CB-B48259D6809C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany