Andininy
Protestanta Malagasy
1
Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankaty amiko; Henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DA2527B-161E-4383-820C-360C7F1BDFC5
2
Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E09D9F2-30F2-4C1D-A2D7-FCF3D41B86CE
3
Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan'ny vavako; Ambeno ny varavaran'ny molotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10A409FF-4D35-4AE3-AE89-5F537ED7A5E7
4
Aza avela hirona ho amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78BD0027-8B21-4EAC-8FE4-A754AA5FF896
5
Aoka ny marina hamely ahy amin'ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian'ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F7CAD8C-EB21-44E0-A900-AF31A071EF29
6
Havarina amin'ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11BBCAD9-BDA8-49E7-B830-076446C53E09
7
Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CE76E6B-53FE-441F-8783-9C95112D14A2
8
Fa Hianao no andrandrain'ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A1A4113-C906-46C9-B7C3-29DA137D8072
9
Arovy aho amin'ny fandrika amandrihany ahy Sy amin'ny tadivavaran'ny mpanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4A18CE3-D6DB-4BCD-AE5C-6471A61C02F9
10
Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|195D656B-F144-4B16-8404-336D7AC855EB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany