Andininy
Protestanta Malagasy
1
Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B021C9E-E1AA-4615-9C33-E13AF9B486A6
2
Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC9EC85E-D2D6-4882-97D4-E5D778BEB26B
3
Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra*. [Na: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB2159DA-CB94-4A0E-B2D5-5B478B52F678
4
Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D43C847-B588-479B-BF8A-1E38212280AB
5
Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30B7836B-D991-461D-A451-A869E64D3B0B
6
Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3037E90-DCD1-401C-888E-C1126E5A78E6
7
Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra* ahy ny foko**. [*Na: mamporisika][**Heb: voako]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CDFC16A-4EB3-4783-955E-18F8D84F1D71
8
Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|799200DD-4B6A-4382-92AC-429417C5D194
9
Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko*; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.[Heb: voninahitro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02AB6227-10BC-4AB5-80C8-CA3AA8308396
10
Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny** lavaka*** Hianao.[*Heb: Sheola][**Heb: hahita][***Na: ho tratry ny lô]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AFB42F1-B079-4CC2-B5FB-061647E38757
11
Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D33DE08-7D38-4013-BEFD-A912AFE5FC90
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany