Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AFCBEF6-324D-46AB-BCA7-59BC0D0C06E2
2
Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B577F1D1-2325-46D5-810B-DE16D3907636
3
Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony*. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D8CA41E-E012-4F60-9697-6C41A1B9A645
4
Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany*, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33D34425-50C6-4B37-B0FD-82DE55ADBCFF
5
Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08100589-AD99-445D-9E33-3EBB7F241971
6
Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF9498E1-1329-4719-8A47-D438FB60FEF0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany