Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1444CF3A-6609-40BD-8C5A-B1CDF4E364D0
2
Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27482394-632E-4537-93A8-BA338D84E895
3
Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6134A5C2-812F-44CD-AD33-94BCE6B22895
4
Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACD62256-04A2-4EE5-8541-141E4066D8C5
5
Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|357563D1-62FA-4A53-9284-5F8A2F29C41F
6
Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91F8F32E-64E5-4008-BBC5-9A0427BCA00F
7
Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF8B5A58-AF31-42EF-B156-3148A6869E43
8
Ankino amin'i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD80BAEA-C82B-4613-91AA-08BFCB55EC89
9
Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61030FA0-BD47-4D75-8392-97CA82EC6FCA
10
Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC72761C-FA2D-4159-99F4-30F5F8412E34
11
Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B75A843-5FE0-4E20-ADA5-B4E444A9242E
12
Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9C0FCDF-B013-4BCF-8163-4973CB76113F
13
Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67E07977-98CC-41AC-962F-A20E49167879
14
Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8A00EDC-8F23-4EE3-9188-C0AEF4233085
15
Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93606808-2724-411D-9B27-C4B5D46024DB
16
Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy* [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FAAB047-F279-484B-A145-8356B338E29D
17
Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE3BF9B6-70A0-44F4-8941-DC8CF03CF338
18
Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D010031-3CF7-4884-AB7B-C7164BC39195
19
Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28170F6E-04D8-4969-8880-67774261A7B6
20
Vonjeo amin'ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C37E1920-40FD-4110-AF63-1AE296B6C812
21
Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga*. [Na: teo amin'ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A9C984F-4AD4-488F-B57F-05EC0BBC29CB
22
Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0CCAF27-F017-44B3-81D0-DF6F8626F6E1
23
Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBDEBAB0-0EF7-4302-813A-50D8683B9AEB
24
Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E749313E-28BC-4A84-A751-243B176BEABD
25
Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3624CE3C-268E-4E5A-9D29-598E868F71D0
26
Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5ADEB999-A395-4A46-ACCD-6333B6825CFE
27
Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|751758CD-0065-4D0A-BBAA-2CA9E4B40FBF
28
Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C462FAD4-F529-48D1-BFE9-B1C0C9B5F039
29
Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B55FECCB-39E9-48A6-B719-0C9806109465
30
Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|060F0821-6CBD-4147-B78C-D709015DCAFC
31
Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72E09FB1-0671-454A-975F-1B4D2B128B77
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany