Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe*: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy.[Na: Misy filazana ny ao am-pon'ny ratsy fanahy manao hoe:]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB227DAD-BEE5-4C0B-953D-6E26DD24792C
2
Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF225EDA-109C-46B6-99F8-70FC60D8D292
3
Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7BFBABC-98EC-4D88-B43C-212E8BE22030
4
Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9786D23-84E7-4D13-8F30-2DB94B410BA9
5
Jehovah ô, mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6913898C-050C-4057-977B-F35F2340693F
6
Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo*; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô,[Heb: tendrombohitr'Andriamanitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3B1D4D5-E34E-485E-AE71-0B55DC110A45
7
Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66094138-8BC0-4FF9-834F-9201F477F8B0
8
Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5595496-5635-42CA-990B-183B30E19F48
9
Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F46B40B0-0814-4BFC-807C-E88FD41C7DBA
10
Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA3616CD-F108-465C-A1A5-15C0F3937636
11
Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|317F6159-7BC0-46B9-82D9-DC5F45FF28CD
12
Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|966777F6-043B-43E7-9651-1556C8007BD3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany