Andininy
Protestanta Malagasy
1
Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD202A3A-7794-45A0-A43D-91DA54015AA4
2
Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09D270C5-80DD-4F06-94A9-FC97F99F961D
3
Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|053F3FFE-FAAB-4D21-B43B-92E397CDF5CA
4
Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7675DA68-13BB-4A84-8070-92EFC99B6689
5
Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F49A9430-0DB1-45A2-9FAE-86597E002B08
6
Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|154F752D-21AF-4BDC-8DA3-64F1373BCD45
7
Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05CA95F2-EDCB-4F51-93E3-B3501C2ACE59
8
Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|822BF62C-F3CA-4555-9293-BA0189F4412E
9
Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5402A5F5-6C81-40F9-8789-E2AAD33EFFE7
10
Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBBC220E-7560-4DFD-94C7-238A3FCF56EC
11
Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51E8E5D5-4FBD-47AB-805E-D94DAA1E6568
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany