Andininy Protestanta Malagasy 1 Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD202A3A-7794-45A0-A43D-91DA54015AA4 2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09D270C5-80DD-4F06-94A9-FC97F99F961D 3 Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|053F3FFE-FAAB-4D21-B43B-92E397CDF5CA 4 Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7675DA68-13BB-4A84-8070-92EFC99B6689 5 Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F49A9430-0DB1-45A2-9FAE-86597E002B08 6 Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|154F752D-21AF-4BDC-8DA3-64F1373BCD45 7 Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05CA95F2-EDCB-4F51-93E3-B3501C2ACE59 8 Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|822BF62C-F3CA-4555-9293-BA0189F4412E 9 Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5402A5F5-6C81-40F9-8789-E2AAD33EFFE7 10 Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBBC220E-7560-4DFD-94C7-238A3FCF56EC 11 Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51E8E5D5-4FBD-47AB-805E-D94DAA1E6568 12 Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0727CA96-87BF-41DF-97B6-DAB6A163C311 13 Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEB85DBA-8653-4ABA-9693-4A7B3B18C648 14 Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75C4022E-76E0-483D-BF2F-2A0B7A142456 15 Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D8F4AB7-28D9-4206-95EB-2AD60ED9A3EB 16 Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B407E95-BE10-41CB-A756-22D450B1C5ED 17 Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|403A6C35-20CF-4C0F-9874-15855F4D415A 18 Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|387E2A59-B6F6-4DBD-9818-1AFDD9416663 19 Tsy mba ho menatra amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|369EE1FF-1A2E-4205-8916-FEF1626F6326 20 Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99CF1FE9-3563-4A07-B995-945BF03447FF 21 Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra*; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.[Na: tsy mahonitra] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A8C5B87-945E-4A44-8CD8-C68A39F5527E 22 Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92AA727B-8994-4FE5-AC66-910825F281DD 23 Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66F27190-9381-422E-8C09-4764CC3F9E54 24 Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|883C3490-B231-4700-93C8-7400ED2DA6CA 25 Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5E46F76-DB72-4495-85E4-36E17C988740 26 Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2B17653-EE89-4AD6-864F-90989B740265 27 Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CF2C094-5670-4D03-9CBB-80D39F55A966 28 Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6AD571E-6931-465D-A81C-FE38662E4C82 29 Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|749900E2-30D8-46C4-ABFC-7242AB7061A2 30 Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2425F74E-F4A2-4048-A89C-D0C8A7193008 31 Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10523870-B038-4143-BD88-E60CAD58645E 32 Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8860DC1C-2572-4BFA-90EA-1850E6CA08CD 33 Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF853009-BC5C-4A44-AC86-95B240D9689C 34 Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C59C4B24-46C5-4B0E-8E39-6051491235E8 35 Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA27F0BC-384E-43E6-9757-1998710986FE 36 Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|614153B1-58C4-4CD8-8EFC-3484002393D9 37 Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany* ho an'ny olona tia fihavanana*. [*Na: taranaka][**Na: Fa fiadanana no faran'izany olona izany] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3E20AE3-81BA-49B2-B45C-E239D31ED238 38 Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E1D853A-AD39-4557-81A5-B5AAE9D4B2C5 39 Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD834C1B-A8E8-4C0F-83EF-DD1668E65EC9 40 Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE118035-1D21-4A7B-B776-46C826E11C72
|