Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77488459-3BAF-4524-A5C3-77884C80F727
2
Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F15D3859-979F-4B78-9859-F5E9A2EC1865
3
Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy*; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8F3EA24-3BD6-4324-84F2-CD704A54C2F4
4
Tezera*, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89C83928-602F-4A68-8A10-11FB0282C2DC
5
Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C153CB09-0535-4172-8769-4D5A7F000822
6
Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56ED9FA0-2930-43ED-9424-5A9013F3674D
7
Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47A88C2D-6862-4161-8DBE-6D192172B4EA
8
Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|896A05EB-2D5C-48B2-BE47-A704DF8F571A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany